LEGENDE / Farouk Daya, ankavia amin’ny sary, ilay namoy ny ainy
Namohy ny ainy nandritra ny trangam-panafihana mitam-piadiana ny harivan’ny 31 janoary tokony ho tamin’ny 6 ora ariva i Irfan Farouk Daya, teratany karana 23 taona. Araka ny vaovao voaray, teo andalam-podiana niaraka tamin’ny fiakaviany ity tovolahy ity no izao niharan’ny fanafihana izao.
Nikasa ny haka an-keriny ny iray tamin’ireo tao anatin’ny fiara ireo jiolahy saingy tsy nahavanona ny fikasana ka avy dia nitifitra. Fantatra ihany koa fa naratra mafy ny rahalahan’ilay teratany karana namohy ny ainy vokatr’izao fanafihana izao. Izy ireo moa dia zanak’i Farouk Daya mpandraharaha mipetraka ao Tanjombato. Vantany vao nahareha io trangam-pakana an-keriny io ny mpitandron’ny filaminana dia tonga teny an-toerana, saingy efa tapitra nandositra ireo nahavanin-doza.
Sahy SYLVAIN