Socials

Hijery ifotony ny zava-misy sy ny fahasahiranana iainan’ny mponina ary hitondra vahaolana no nahatongavako farany izay haingana indrindra eto Mananjary.

Hanarina ny tananan’i Mananjary izay potika noho ny rivodoza Batsirai isika. Isan’ny laharam-pahamehana amin’izany ny fanarenana ny hopitaly izay rava nefa misy marary manaraka fitsaboana sy reny bevohoka eto.

 

 Au lendemain du passage du cyclone Batsirai dans la Grande île, le Président Andry RAJOELINA et son épouse Mialy RAJOELINA ont  effectué  une visite des districts les plus touchés au niveau des Régions Vatovavy et Fitovinany afin d’évaluer les dégâts et constater de visu la triste réalité à laquelle est confrontée les sinistrés après cette catastrophe.

Tsapanay ny hirifiry mianjady aminareo traboina ary fantatray ny tsy fahampiana iainanareo amin’izao andro sarotra izao. Izany indrindra no nahatongavanay mivady nanatontosa ny fizarana voalohany ireo VATSY TSINJO, koa ireo tokantrano traboina eto anivon’ny boriborintany voalohany sy fahatelo no nanombohana izany androany.

Na dia alahady aza ny andro dia mitohy hatrany ny fikarakarana ny VATSY TSINJO hoan'ireo tokantrano traboina izay ahitana vary 25 kg, voamaina 3kg, menaka iray litatra, sardines roa boaty, savony 5 isa, koba aina 1kg, sira ary CVO Tambavy fonosana iray avy.

Mba ahafahana mandamina ny fivezivezen'ny traboina raisina an-tanana ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ary mba hialana amin’ny fanararaotana samihafa dia zaraina tapakila ireo tena traboina mivezivezy miditra sy mivoaka ny faritra ametrahana azy,