Socials

Nakipaky ny rivodoza Batsirai ny ampahany betsaka amin’ny tafon’ny CEG ZONIA FREDERIC eto Mahanoro. Manao tafo lanitra ary lenan’ny orana ireo mpianatra.

5000ar isan’andro mandritra ny 20 andro no takalon’ny asa vonjy aina nataon’ireo mponina miara-miasa amin’ny FID amin’ny fanadiovana ny tanana sy ireo lakandrano eto Mahanoro.

Fotoana fifampizarana ny manta sy ny masaka ihany koa ny fotoan-tsarotra toy izao.

Vary milanja 64 taonina no nalefan’ny fitondram-panjakana io maraina io avy eo amin’ny Port fluvial eto Mahanoro mankany Nosy Varika. Hisy amin’ireo vary ireo no hozaraina maimaim-poana ao anatin’ny Vatsy Tsinjo.

 

 Le Président de la République et son épouse ont poursuivi leur visite des districts touchés par le passage du cyclone Batsirai à Farafangana puis à Fianarantsoa ce 8 février 2022.

Hanolo-tanana, tsy asiam-panavahana, amin’ny fananganana ireo trano sy fiangonana ravan’ny rivodoza eto Mananjary ny fanjakana. Ho atao ny fanisana sy ny fanamarinana ary handefa fanitso ho fanampiana ny fitondrana.