Socials

Nandritra ny diany tao Manakara ihany koa no nanoloran-dRamatoa vadiko ny "centre d'accès internet" ho an’ny mpianatra ao amin’ny Lycée Sileny.

Ato anatin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy dia tonga nanome voninahitra ireo fikambanam-behivavy tany Manakara Ramatoa Vadiko izay sady Filohan’ny Fikambanana Fitia.

Teo anivon’ ny Faritra telo samy hafa indray no nanatanterahantsika ny fizaràna ny "Vatsy Tsinjo" ho an'ireo mpiray Tanindrazana traboina sy tojo fahasahiranana taorian'ireo andro ratsy nifanesy teto amin'ny Nosy.

Tsy hiady irery ny vahoakan'Anosibe An'Ala amin'izao fahavoazana vokatry ny fandalovan'ny rivodoza izao.
Tahaka ireo distrika hafa nandalovan'ny rivodoza nifanesy dia nitondra fanampiana VATSY TSINJO avy amin'ny Fitondra-panjakana ho an'ny vahoaka traboina ihany koa ny tenako.

 

 Le Président de la République Andry RAJOELINA s’est rendu dans le district d’ Anosibe an’Ala – Région Alaotra-Mangoro puis dans le district d’Antanambao Manampotsy dans la Région Atsinanana ce 26 février 2022.

Androany ihany koa dia nisitraka ny anjara Vatsy Tsinjo ho azy ireo ny mponina ao amin'ny Distrikan’i Toliara I - Faritra Atsimo Andrefana. Tokantrano miisa 500 avy amin'ny Fokontany miisa 41 no nisitraka izany tany an-toerana.