Socials

Taorian’ny boriborin-tany faha-2 sy faha-4 omaly dia ny boriborin-tany faha-6 indray no nisitraka ny "Vatsy Tsinjo" androany zoma 25 febroary 2022 teny Andranomena. Tokantrano miisa 1398 avy amin'ny Fokontany Ambodihady, Amboavahy, Ambodimita ary Antsararay no notolorana izany.

Isan’ireo nitondra takaitra noho ireo rivodoza nifanesy ny faritra Atsinanana sy ny Faritra Alaotra-Mangoro.

Ny mafy sy sedra mianjady aminareo dia maharary ahy. Nohon’ny nandalovan’ny rivodoza EMNATI andro vitsivitsy izao dia miray fo tanteraka aminareo vahoaka any amin’ireo faritra maromaro voa mafy rehetra ny tenako.

Mitohy hatrany ny fanomezana fanampiana ho fitsinjovana ireo Mpiray Tanindrazana izay mbola misedra fahasahiranana taorian’ny fandalovan’ ireo andro ratsy teto amin’ny Nosintsika.

 
Misaotra an’i Mahanoro tamin’ny fandraisana mafana nataonareo ho anay mivady.
Izahay ihany koa dia tsy manadino anareo fa manampy tanteraka amin’izao fahasahiranana noho ny rivodoza izao ary hiasa hatrany hampipaka ny fifanampiana sy ny fampandrosoana nampanantenaina hatreny anivon’ireo distrika sy kaomina.

 

 Le Président de la République, Andry Rajoelina et son épouse ont poursuivi leur tournée des districts ravagés par le cyclone Batsirai le 11 février 2022 à Mahanoro.