Edito

Tsy fanatanterahana na tsy fahavitana adidy, toetra anisan’ireo mahamenatra indrindra eo amin’ny malagasy, kanefa dia rohitina amin’ny lafiny politika hanaovana resabe. Tsy inona izany fa ny tsy fandoavan-ketran’ny orinasan’ny filoha teo aloha.

« Tiako i Madagasikara », lasa poak’aty ilay fitoriam-pitiavana nomena ilay antoko.  Poak’aty satria na ny farafahakeliny amin’ilay fitiavany  aza dia tsy vitan’ilay namorona io anarana io akory. Tsy fantany na hiniany tsy fantarina fa ny fitiavana ny tanindrazana dia mitaky adidy sy andraikitra. Anisan’izany adidy aman’andraikitra izany ny fandoavan-ketra.  Henatra amin’ny tany ama-monina izany olona tsy mahavita adidy izany raha ny soatoavina malagasy no jerena. Ary raha ny tantara izay vao tsy ela akory fa tamin’ny Repoblika voalohany dia azo lazaina fa tsy lehilahy izay tsy mahefa ilay lazaina tamin’izany hoe « hetra isan-dahy ».

Ankoatran’ny maha adidy ny fanefana ny hetra, ao ihany koa ary tsy azo atao ambanin-javatra ny endrika fanohanana ny ezaka fampandrosoana izay midika ho fitiavana ireo mpiara-belona amin’ny tena.

Sarotra ny hino fa misy vahoaka te handika ireo toromarika izay natao hiarovana ny fahasalamany sy ny ainy. Izany anefa no tiana avohitra ao ambadiky ny fambolena korontana any Toamasina any. Araka izany,  tsy tongatonga ho azy izany fa nosafidina  manokana iny andro omaly iny. Andao anie ho jerentsika ny zava-misy e !

Tsy fahafehezan-tena, fanaparam-pahefana sa tsy fahazakàna andraikitra no mahatonga ny fihoaram-pefy nataon’ny zandary sasantsasany tato ho ato ? Ny lehibe ihany koa ve no tsy mahafehy ny olony sa efa misy zatra manao ny lalan-dririna ny zandary sasany ? Na Zandary vitsy aza anefa no manao ny ataony, tsy afa-bela fa miara-maloto amin’izy ireny ny fianakaviamben’ny zandary na inona na inona fanazavana.

 La polémique créée par les opposants actuellement portent surtout sur le budget pour la réhabilitation du stade de Mahamasina, un budget de 77 millions de dollars qui selon eux devrait être utilisé pour d’autres finalités. Pourtant, il faut savoir que le stade est une récompense en guise de reconnaissance pour les Barea de Madagascar. En effet,  ils ont porté haut le flambeau du pays mais surtout, ils ont pu unir tous les Malgaches derrière eux,  sans aucune distinction d’appartenance politique, ni d’origine.

 

Facebook a pour vocation d’être un espace d’échange et de dialogue pour ceux qui ont droit à l’internet, voire à de simple connexion via leur puce téléphonique. Ce réseau social censé connecter les adhérents entre eux est néanmoins utilisé par certains à d’autres fins, notamment pour fomenter des actes de stabilisation et pour créer un climat de haine au sein de la population.

 Vita iny ny fifidianana ben’ny tanana sy mpanolotsaina kaominaly. Tokony samy hahay handray lesona ny antoko tsirairay, amin’ireo kandida izay natolony. Maro ireo diso fanatenana fa maro ihany koa no tojo tamin’ny tanjona niriany. Raha ny avy amin’ny vovonana manohana ny filoham-pirenena, misy angamba ny tokony hahitsy sy hasiam-panamboarana mba hiatrehany ny asa mbola miandry azy am-pitoniana.