Tsy fahafehezan-tena, fanaparam-pahefana sa tsy fahazakàna andraikitra no mahatonga ny fihoaram-pefy nataon’ny zandary sasantsasany tato ho ato ? Ny lehibe ihany koa ve no tsy mahafehy ny olony sa efa misy zatra manao ny lalan-dririna ny zandary sasany ? Na Zandary vitsy aza anefa no manao ny ataony, tsy afa-bela fa miara-maloto amin’izy ireny ny fianakaviamben’ny zandary na inona na inona fanazavana.

 Ivato, Bevalala, Soavinandriana Itasy, ampahany tamin’ireo nahitana trangana famonoan’olona nataona zandary tato ho ato. Izy ireo izay natao ho tandroka hiaro ny vozona, hampanaja ny lalàna ary hiaro ny vahoaka sy ny fananany no nanjary fahavalo atahorana ankehitriny. Misy mihitsy aza ny olona sasany no mihevitra fa aleo mifanena amin’ny mpanao sinto-mahery toy izay miady hevitra amin’ny zandary? Enga ka tsy ho marina izany fa lasa loza mitatao ho an’ny fiaraha-monina izany.

Misy ny rafitra antanan-tohatra toa ireo sampandraharaha rehetra eo anivon’ny zandary. Miainga avy any amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria sy ireo mpiara-miasa mandrafitra ny kabinetrany. Misy ihany koa ny etamazôro, ny farididiam-paritra, ny vondrom-pileovana ary ny kaompania sy borigady. Fanontanian’ny vahoaka isanandro ny hoe : “Misy tsy to-teny ve ireo lehibe mpanome baiko ka miteraka ireo fihoaram-pefy ataon’ny zandary sasany?”. Raha ny fantatra mantsy, fifaninana no hidirana ho zandary hatramin’izay, nefa niaraha-naheno araka ny tatitra ataon’ireo fikambanana maro fa anisan’ireo nahitana kolikoly maro ny fampidirana ho zandary teto amintsika. Nampianarina momba ny lalàna sy ireo sazy mifandraika amin’ny fandikan-dalàna ireny zandary ireny tany amin’ny sekoly tao Ambositra na tao Moramanga.

Niditra tao an-tsain’izy ireny ve ireo fampianarana ireo sa natao hialokalofan’ireo olona sasany tsy an’asa ity rafitra iray ity? Nisy ny enquête de moralité natao tamin’izy ireny sa rehefa hoe nanao fanamiana sy nahay nitifitra dia nambara ara-pomba ôfisialy fa hoe zandary? Ny basy rahateo toa samy nitondra avokoa ireo zandary nihoam-pefy nitifitr’olona sa malalaka ny fitondrana azy ireny fa tsy misy fotoana natokana ho amin’izany?

Ny tsapa ihany koa eny anivon’ny fiaraha-monina fa misy ny sasany amin’ireo zandary no manampatra ny fahefany amin’ny sivily, ao mihitsy ireo mahavita manao habibiana sy tsy manaja ny zo maha-olona. Ny olana, tsy sahy mitoroka azy ireny ireo mponina any ambany ravin-kazo amin’ny tahotra sao hisy valifaty hahazo azy any aoriana. Ny fitondrana ankehitriny izay efa miantso ny rehetra samy hanaja ny lalàna ary hiady amin’ny herisetra sy kolikoly koa rariny raha handraisana fepetra henjana ireo nihoam-pefy.

Asa angamba hoe tokony haverina hiofana indray ve ireo zandary sisa tsy nandika lalàna, hamerenana ny hasin’ity sampana iray ao anaty fianakaviamben’ny foloalindahy ity ?

Raha ny zava-misy eny anivon’ny fiaraha-monina mantsy, manomboka marisarisa ny fahatokisan’ny vahoaka ny zandary taorian’ireny tranga famonoana olona ireny. 

Jean Claude ANDRIAMALALA