Sarotra ny hino fa misy vahoaka te handika ireo toromarika izay natao hiarovana ny fahasalamany sy ny ainy. Izany anefa no tiana avohitra ao ambadiky ny fambolena korontana any Toamasina any. Araka izany, tsy tongatonga ho azy izany fa nosafidina manokana iny andro omaly iny. Andao anie ho jerentsika ny zava-misy e !
Efa ren-tany ren-danitra ny finiavan’ireo olona sasany hanainga ny mponin’i Toamasina hikorontana amin’ny fitarihana azy ireo tsy hanaraka ny toromarika ara-pahasalamana hiadiana amin’ny fipariahan’ny coronavirus. Tsy tongatonga ho azy iny fanambaran’ireo misora-tena ho solontenan’ny vahoaka omaly iny. Tsy tongatonga ho azy koa ilay fikasana handotoana ireo miaramila ka nanendrikendrehana azy ireo ho nikasi-tanana ilay tanora izay voatery nentina notsaboina tany amin’ny hôpitalyL. Niaraha-nahita moa ny korontana vokatr’izay vaovao tsy marina izay. korontana izay naharitra efa ho ora roa vao nilamina.
Tsy tongatonga ho azy izany rehetra izany satria tsara ho fantatry ny rehetra tokoa fa mpanao gazety avy any ivelany maromaro no ao Toamasina ao amin’izao fotoana izao. Ny anton-dian’izireo dia ny hijery mivantana ny tena zava-misy ka tsy ihanona intsony amin’ny vaovao tsy marim-pototra toy ilay navoakan’ilay mpanao gazety malagasy iray, mpisolo tena foibe fanangonam-baovao frantsay iray, irony antsoina hoe correspondant de presse irony. Ity farany izay tsy niala teo an-drenivohitra akory anefa dia nanambara ho ren’izao tontolo izao , andro maromaro lasa izay, fa fatin’olona maro no hita eny amin’ny arabe ao Toamasina.
Maro noho izany ireo mpanao gazety vahiny any an-toerana amin’izao. Izy ireo izay efa tokony hiverina eto an-drenivohitra kanefa tsy afaka miala any noho ny fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana malagasy amin’ny tsy fahazon’iza na iza mivoaka sy miditra ny faritra Atsinanana. Izany fisian’ny mpnao gazety vahiny izany no nararaotin’ireo tsy mikatsaka afa-tsy ny tombotsoany manokana ka nambolena ireny korontana ireny. Tanjona dia ny hampisehoana amin’izao tontolo izao fa tsy mahomby ny fitantanan’ny mpitondra ankehitriny ny ady atao amin’ny valanaretina. Tanjona faharoa dia ny fambolena korontana tsotra izao hamparefo ny fitondrana.
Hevitra diso ihany anefa izany satria ny vahoakan’i Toamasina efa tonga saina ka tsy hanaiky intsony ho taritin’ny olom-bitsy ho any amin’ny antsana ateraky ny savorovoro sy ny tsy filaminanana. Hain’izireo fa anisan’ny faritra misitraka tombotsoa maro ny faritra atsinanana noho ireo foto-drafitrasa maro mitsangana amin’ny alalan’ny tetikasan’ny filoha.
Arak’izany, raha Toamasina manokana no lazaina, efa niainga ny fampandrosoan sy ny fiovana, ka tsy ireo mponina mihitsy no te hiverindalana.
Raha ny teti-dratsy hanakorontanana ny fanjakana kosa ka hilazana fa tsy mahomby ny fitantanana ny fihatrehana ny valan-aretina, porofo mitoaka amin’ny tendany ireo fangatahana ilay tambavy CVO sesilany avy amin’ireo firenena maro avy any ivelany, raha tsy hilaza ny avy amin’ny Emirats arabes unis omaly.
Mila mailo foana isika fa raha ny fitiavana no lehibe indrindra ho antsika, ny an’ny sasany dia ny fankahalana no ataony foto-pisainana.
N. Randria