Vita iny ny fifidianana ben’ny tanana sy mpanolotsaina kaominaly. Tokony samy hahay handray lesona ny antoko tsirairay, amin’ireo kandida izay natolony. Maro ireo diso fanatenana fa maro ihany koa no tojo tamin’ny tanjona niriany. Raha ny avy amin’ny vovonana manohana ny filoham-pirenena, misy angamba ny tokony hahitsy sy hasiam-panamboarana mba hiatrehany ny asa mbola miandry azy am-pitoniana.

Raha ny izy dia tokony fantatry ny filoham-pirenena, izay mpanorina ny antoko volomboasary, avokoa ireo nilatsaka tamin’ny anaran’ny vovonana. Tokony ho izay tokoa no izy, fa saingy maro ny adidy sahaniny ka nankinina tamin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny vovonana ny fanapahan-kevitra.

Tsikaritra anefa fa maromaro ihany ireo kandida nolavin’ny vovonana manohana ny filoham-pirenena, kanefa lany rehefa nilatsaka tamin’ny anaran’ny tenany manokana. Maromaro tahak’izay ihany koa ireo nahazo ny fankatoavana ary nisalotra ny anaran’ny fikambanana mpanohana ny filohan’ny Repoblika kanefa dia nalohan’ny mpifidy tsotra izao.

Nisy ary ve ny tsy fahamalinana ? Sa kosa nisy ny nanolo-bato mafana na sanatria nanao  kolikoly ka nanjary tsy ireo akoho efa taman-trano no natolotry ny avy any ambony fa ireo efa fantatra amin’ny famadibadihany palitao ?

Mila fandinihina lalina ary misy famakafakana tsy maintsy atao amin’izany toe-javatra izany satria lasa maha ratsy endrika ny filoha ny zava-misy.  Ahatonga ny sasany hitsara azy mantsy izany kanefa dia toe-javatra tsy miankina aminy intsony satria efa nomeny ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany ny fanapahana sy ny fanendrena ireo kandida hilatsaka amin’ny anarany.

Ny valin’izany famafakana izany no hanala ny ahiahy tsy hiavanana ary hanadio ihany koa ny manodidina ny filoha, ahafantarany izay tsy mikatsaka afa-tsy ny tombotsoany manokana sy ireo izay tena mitsinjo ny ho avin’ny maro an’isa amin’ireo mpifanerasera aminy akaiky. 

Raha ny mikasika ny fifidianana ben’ny tanana manokana, soa fa efa nanambara ny fanohanany ny filoha sy ny tetikasany ny maro amin’ireo nilatsaka ka lany amin’ny anarany manokana. Raha tsy izay dia mety ho mafy ny ady atao ho amin’ny fampandrosoana. Azo eritreretina ho sarotra mihitsy aza raha toa ka ireo mpanohitra bontolo noho ny « alako bika tsy tiako tarehy » no maro an’isa amin’ireo ben’ny tanana eto Madagasikara.

 

N. Andriamamonjy