Tsy fanatanterahana na tsy fahavitana adidy, toetra anisan’ireo mahamenatra indrindra eo amin’ny malagasy, kanefa dia rohitina amin’ny lafiny politika hanaovana resabe. Tsy inona izany fa ny tsy fandoavan-ketran’ny orinasan’ny filoha teo aloha.
« Tiako i Madagasikara », lasa poak’aty ilay fitoriam-pitiavana nomena ilay antoko. Poak’aty satria na ny farafahakeliny amin’ilay fitiavany aza dia tsy vitan’ilay namorona io anarana io akory. Tsy fantany na hiniany tsy fantarina fa ny fitiavana ny tanindrazana dia mitaky adidy sy andraikitra. Anisan’izany adidy aman’andraikitra izany ny fandoavan-ketra. Henatra amin’ny tany ama-monina izany olona tsy mahavita adidy izany raha ny soatoavina malagasy no jerena. Ary raha ny tantara izay vao tsy ela akory fa tamin’ny Repoblika voalohany dia azo lazaina fa tsy lehilahy izay tsy mahefa ilay lazaina tamin’izany hoe « hetra isan-dahy ».
Ankoatran’ny maha adidy ny fanefana ny hetra, ao ihany koa ary tsy azo atao ambanin-javatra ny endrika fanohanana ny ezaka fampandrosoana izay midika ho fitiavana ireo mpiara-belona amin’ny tena.
Koa nahoana ary no atao resabe ity zavatra ity fa tsy tanterahina fotsiny ny teny fikasana. Tiako i Madagasikara ary tiako ny malagasy, hoy ny ambeti-tenin-dRavalomanana : miandry porofo ny be sy ny maro, miandry ny hanamarinany izany fitiavany izany. Ary raha lehilahy sahy mijoro ho tena lehilahy ny tenany, indrindra moa fa lehilahy efa nitana andraikitra sy nanana voninahitra ambony teto amin’ny firenena, dia tokony hanefa ny adidiny.
Raha tsy hoe angaha efa lany henatra ka tsy mampaninona azy no hitsarana azy amin’ny tsy fahavitany ny adidiny ?
N.Randria