Nampiray fo sy nampiray hina ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka ny nandraisan’ny Barean’i Madagasikara anjara tamin’ity CAN 2019 raha ny tsikaritra ankehitriny.
Nangina tanteraka ny resaka politika tao anatin’ny erinandro vitsy izay. Mitodika any Egypte tanteraka ny mason’ny maro ankehitrihiny. Zary lasa adino ny fifandirana politika maro lafy. Raha ny tsikaritra ankehitriny; mampiray ny feon’ny Malagasy tsy vakivolo ny fanohanana ny ekipam-pirenena BAREA miatrika ny CAN. Io firaisan-kina io izay adinon’ny maro tao anatin’ny taona maro fa variana tamin’ny fifandirana tsy nahitam-bokatsoa ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy. Ankehitriny kosa anefa, hita taratra ny fiarahan’ny Malagasy mifampitantana rehefa mahita fandresena ny BAREA an’i Madagasikara.
Tsy nampiray ireo tsy nitovy hevitra ara-politika ihany anefa ny fiakaran’ny Barean’I Madagasika amin’izao lalao CAN izao, fa isan’ny niteraka asa ho an’ny ampahan’ny vahoaka Malagasy ihany koa. Santionany amin’izany ny fiparitahan’ny ankanjo maro isan-karazany amin’ny fanohanana ny ekipam-pirenena Malagasy. Zary lasa manana fanantenana amin’ny ho avy ireo vahoaka tsy mandady harona ny vokatry ny fandresenan’ny BAREA.
Araka ny tsikaritr’ireo mpanara-baovao maro; ho fantatr’izao tontolo izao Madagasikara noho iny lalao iny hatrany. Hiroborobo manaraka izany ny fizahan-tany izay hampiakatra ny toekarem-pirenena ihany koa. Tsy azo hiodivirana noho izany fa nampiray Malagasy ary nampisongana ity firenentsika ho fantatr’izao tontolo izao ny fandraisan’I Madagasikara anjara tamin’iny CAN 2019 ity.