Mapametra–panontaniana mihitsy ankehitriny hoe mba misy fitiavan-tanindrazana ihany ve na dia kely monja aza amin’ireo mpanao politika sasany eto Madagasikara ? Isaky ny misy fanapahan-kevitra na asa ataon’ny fitondràna dia fanenjehana bontolo hatrany no setrin’izany fa tsy adihevitra mitondra mankany amin’ny tolo-kevitra mahasoa ny be sy ny maro.
Mahavalalanina ary mamaky loha sola no sady mampiteny ny moana ny zava-misy ankehitriny manoloana ny fanovàna tena izy tian’ny mpitondra fanjakàna atao mba hampandroso an’i Madagasikara faran’izay haingana.
Raha vao telo volana monja no nahatonga teo amin’ny fitondràna ny filoha ankehitriny mantsy dia efa betsaka no zava-bita sy an-dalam-panatontosàna eo amin’ny lafiny rehetra, na ny toe-karena, na ny sosialy eny fa hatramin’ny politika hitantanana an’ity firenena ity aza ka mba hahasoa kokoa ny vahoaka miaina ao aminy.
Ankehitriny raha mikatsaka ny hanitsy, na hanova amin’ny ampahany ny lalam-panorenana araka ny efa nambarany ka nahatonga ny maro an’isa nifidy azy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena andriamatoa Andry Rajoelina dia fanakianana bontolo indray no asetrin’ireo mpanenjika azy. Mpanenjika tokoa no hanasokajiana azy satria tsy mba manana soso-kevitra handrosoana mihitsy na kely aza fa fanapempoana ny asa rehetra fotsiny aloha hatreto no hilofosany mafy. Raha mikatsaka ny hanova ny lalam-panorenana tokoa mantsy ny filoha Rajoelina satria laharam-pahamehana aminy ny fanafoanana ny antenimieran-doholona izay mandany ny volam-bahoaka be loatra, satria laharam-pahamehana aminy ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefàna tena izy ka hanafaingana ny fampandrosoana isam-paritra dia tsy mba ny vontoantin’izany no hironan’ny fanehoan-kevitra sy ny fanakianana fa izy Andry Rajoelina tenany no iharan’ny fanenjehana. Ao anatin’izany, misy ireo manasokajy ny filoham-pirenena ankehitriny fa manao didy jadona na « dictateur » araka ny teny frantsay…
Mpanao didy jadona ve izany rehefa hanova ny lalàna mba hahasoa ny mpiray tanindrazana aminy fa tsy entina manasoa ny tenany manokana na hanamafisana ny fahefàna eo aminy ?
Toa ririn-dasa tsy tsaroana mantsy ho an’ireo « mpanenjika » ny fanitsiana na ny fanovàna lalam-panorenana nataon’ny filoha Ravalomanana tamin’izany fotoana izany mba hahafahany milatsaka hofidiana fanintelony, sy nanamafy kokoa ny fahefàna teo am-pelatanany. Toa hodian-tsy hita ihany koa ny fanitsiana nokasain’ny filoha Rajaonarimampianina vao tamin’ny taon –dasa ka nahatonga resa-be satria tsy noeritretiny ho atao raha tsy efa hifarana ny fepotoam-piasàny, ankoatran’ny resa-be tamin’ny vontoatin’ny fanovàna tiany natao ihany koa…
Ankehitriny, raha mbola manafosafo ny 100 andro naha teo amin’ny fitondràna an’Andriamatoa Andry Rajoelina ka miroso miandalana hatrany manatanteraka ny velirano nataony izy, ary ao anatin’izany ny fikitahana ny lalam-panorenana mba ho tombotsoan’ny be sy ny maro, dia fanenjehana hatrany hatrany no setrin’izany fa tsy misy adihevitra hitera-bokatsoa.
Mampametra-panontaniana mihitsy hoe : andriamatoa Andry Rajoelina ve no ankahalaina satria manana fitiavan-tanindrazana sy finiavana hanova mba hitondra fampandrosoana, dia ny fanapahan-kevitra raisiny, izay hitondra soa ho an’ny rehetra no hanaovana filam-boatsiary tahaka izao ?
Jay Randriamaro