Araka ny andininy faha-75 ny Lalampanorenana Malagasy dia mivory ara-potoana in-droa isan-taona ny Parlemanta, ka ny voalohany ny talata voalohany amin’ny volana may, ny faharoa kosa ny talata fahatelo amin’ny volana oktobra, izay atokana indrindra indrindra amin’ny fandinihana sy fandaniana ny tetibolam-panjakana.

Hiatrika io fivoriana ara-potoana faharoa io ny Parlemanta manomboka amin’ny talata 16 oktobra 2018 izao.

Hary Andrianarivo, filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena no misahana vonjimaika ny toeran’ny filohan’ity Andrimpanjakana ity, hitarika io fivoriana ara-potoana io, noho i Rakotomamonjy Jean Max, filoha tompon-toerana, kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena hotanterahina amin’ny 7 novambra 2018.

Randriambololona Mananjara, Filoha Lefitry ny Antenimierandoholona misahana ny faritanin'Antananarivo kosa no misahana vonjimaika ny toeran’ny filohan’ny Antenimierandoholona rehefa lasa filoham-pirenena vonjimaika, fampiharana ny voalazan’ny Lalampanorenana i Rakotovao Rivo, filoha tompon-toerana, noho i Hery Rajaonarimampianina kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena.