Samy niaiky ireo kandidà sy solotenan’ny kandida tonga teny anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana androany,fa tsy tomombana antsakany sy andavany iny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany iny.

Na izany aza anefa, niombom-peo izy ireo fa manaiky iny valim-pifidianana navoaka androany iny satria tsy azo ivalozana ny didy avoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana. Izany hoe, raha "azo ivalozana" izy iny, dia mety maro ihany no nanan-kolazaina, na tsy nanaiky mora fotsiny amin'izao.

Ary dia mety ho lohalaharana amin'ireny andriamatoa Andry Rajoelina, izay marina fa nitarika lavidavitra mihintsy (isa efatra any alohan'ny faharoa),saingy mahatsapa-tena ho voa mafy kosa satria ady efa tokony ho vita raha ny rariny sy ny hitsiny, nefa de voatery tsy maintsy ho tohizana amin'ny fihodinana faharoa indray.

Ny mpifanandrina aminy moa, andriamatoa Marc Ravalomanana, na dia efa tena namoaka fantsy mihintsy aza satria ny 208 tamin'ny fitarainana 212 voarain'ny Fitsarana Avo dia avy taminy avokoa, dia nihemotra malaky teo tamin'ny fitakiany ny noheveriny fa rariny sy ny hitsiny, satria inoana fa nahatsapa tena sao ho niady ho an'ny mpifanandrina taminy fotsiny ihany koa dia nihomehezan'ny rehetra teo.

Tsy hita tokoa mantsy izay antony hafa tokony ho nanaovana iny fisintomana tampoka sy manontolo ireo "rekety" 208 iny raha tsy izay. Nipoaka tokoa mantsy ny marina ary dia ho lany tamin'iny fihodinana voalohany iny i Andry Rajoelina. Naleon-"dRavalo" nihemotra aingana sitrany hahay mba miala nenina ihany aloha amin'ny fihodinana faharoa.

Saingy izao : dia fahagagana ahoana re no andrasana, hanatrarana sy hihoarana ireo isa efatra manelanelana azy mianaka ireo e? Ary ireto fikambanana sy antoko politika zavon-tany manohana an'i "Zandrikely"? Ny HVM izay hany antoko lehibebe aza toa nanao fanambarana ingasy Mohammed Rachidy sekretera jeneraly fa tsy mbola nanaiky ny hiara-dia indray amin'ity fahavalo vao omaly ity izy ireo?

Ho fantatra mibaribary amin'izay kosa -na dia efa hita mazava aza izany tamin'ny valin'ny fihodinana voalohany-, hoe iza no tena nanana ny rariny teto tamin'ny taona 2009 : fanonganam-panjakana tokoa ve izy iny sa hetsi-bahoaka nentina nanoherana marindrano ny didy jadona sy ny halatra ary fanodikodinana samihafa nampiarin'i Marc Ravalomanana teto amin'ny firenena ?


Bernard S.