Socials

Ny vehivavy mpisehatra amin’ny Jono ao Mahajanga indray no notsidihan'ny vadin'ny Filohan'ny Repoblika, sady Filohan'ny Fikambanana Fitia, Mialy Rajoelina tamin’ity 3 martsa ity, andro fahatelo amin’ny fitsidihana ireo renivohi-paritany ho fankalazana ny andron’ny vehivavy.

  Tao Toliara sy Fianarantsoa no nanohizan'ny vadin'ny Filohan'ny Repoblika sady Filohan'ny Fikambanana Fitia, Mialy RAJOELINA ny fitsidihany ny Renivohi-paritany eto Madagasikara ny 2 Martsa, ho tohin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy.

Nambaran’ny Praiminisitra nandritra ny fivoriana mikasika ny drafi-pirenena marolafy iatrehana ny valan’aretina Coronavirus teny amin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny Anosy ny 15 febroary 2021 fa « efa voafehy ny fianaky ny valan’aretina kanefa mbola tsy lefy tanteraka izy io eto amin’ny firenentsika », ary ny governemanta dia vonona hatrany hanohy ny ezaka iadiana amin’izao valan’aretina izao.



Nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian nandritra ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny antontan’isa mirakitra ny vokatra azo tamin’ny fanisàna faobe sy ny fanadihadiana ny mponina isan-tokan-trano notanterahina teto amin’ny firenena fa ho an’ny firenentsika manokana dia izao fanisàna izao no hamantarana ny isan’ny mponina eto Madagasikara.

Le Président de la République Andry Rajoelina s’est rendu dans le fokontany d’Ankorondrano Andrefana, le 12 fevrier 2021, pour le lancement officiel de la distribution de repas Kaly Tsinjo, des repas chauds pour la population vulnérable. 60 points de distribution de repas chauds ont été répartis dans les fokontany à travers les six arrondissements de la Commune Urbaine d’Antananarivo.

 

 Nitsidika toerana maromaro tao amin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano,  teo anelanelan’Ampitatafika sy Antsahadinta, ny 9 feboroary,  ny delegasiona izay notarihin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, nijery ifotony ny fizotry ny asa fanamboarana sy ny fotodrafitrasa efa vita, ary ny olona mianjady amin’ny vahoaka amin’iny faritra iny.