Hiverina eto an-tanindrazana tsy ho ela, ho tahirim-bakom-pirenena ireo vakoka mitahiry ny tantarantsika, izay natao lavanty tany Londres androany tolakandro. "Hatrany am-panombohany ka hatrany am-piafarany no nanarahako ireo tombam-bidy sy adivarotra, ary an-kafaliana no izarako eto fa nandray anjara sy nandresy tamin’izany ny fanjakana Malagasy. Mifanindran-dalana amin’ny fitiavako manokana ny tantaran’ity firenentsika ity sy ny fitiavana sy finiavako hamela lova ho an’ireo taranaka dimby sy fara" hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Lavanty izay nahitana ny akanjo volorin’ny printsesy RAMASINDRAZANA, nenitoan’ny Mpanjakavavy RANAVALONA III. Natao lavanty tao ihany koa ireo sary sy soratanan’ny Mpanjakavavy RANAVALONA III sy ny Praiminisitra RAINILAIARIVONY miampy ireo kojakoja manokana fampiasan’ny Mpanjakavavy RANAVALONA III.