Economie
- Détails
- Catégorie : Economie
- Détails
- Catégorie : Economie
- Détails
- Catégorie : Economie
Vinavinaina ho iray lavitr’isa sy enin-jato tapitr’isa dolara amerikana ny teti-bola ho an’i Madagasikara taorian’ny fivoriana FAD 15 andian’ny fahatelo tamin’ity taona ity. Resy lahatra tanteraka mantsy ny BAD na ny banky afrikana momba ny fampandrosoana amin’ny politikam-pitantanana misy eto amintsika, izay azo lazaina fa liana sy maika amin’ny fandrosoana.
- Détails
- Catégorie : Economie
Hanampy ireo rafitra miady amin’ny kolikoly ny didy hitsivolana farany navoakan’ny filoham-pirenena tamin’ny alalan’ny fahefana manokana nomen’ny antenimiera azy ny mikasika ny fanagiazana sy fameranana ireo vola sy fananana tsy manara-dalana na ilay antsoina hoe/ « recouvrement des avoirs illicites » raha ny fanazavana azo tetsy amin’ny foiben’ny CSi tetsy Antaninarenina. Io fanapahan-kevitra io izay finiavana politika hirosoana mankany amin’ny fametrahana ny tany tan-dalàna.
- Détails
- Catégorie : Economie
Nitsidika ireo ivon-toerana eto Andrenivohitra novatsian'ny BAD vola na ny banky afrikana ho an'ny fampandrosoana omaly ny solotena ny BAD eto amintsika sy ireo mpikambana anatin'ny BAD narahan'ireo solotenan'ny vondron'ny mpamatsy vola Afrikana ho an'ny fampandrosoana.
- Détails
- Catégorie : Economie
Ho tanterahina manomboka anio eny amin’ny Carlton Anosy ny Fivoriana faharoa hamaritana ny tetibola entina hanampiana ny firenena Afrikanina andiany faha 15 na FAD15. Araka izany, omaly tolak’andro no nigadona teto Madagasikara ny filohan’ny banky afrikanina hoan’ny fampandrosoana na ny BAD, Akinwumi Adesina.