Nitsidika ireo ivon-toerana eto Andrenivohitra novatsian'ny BAD vola na ny banky afrikana ho an'ny fampandrosoana omaly ny solotena ny BAD eto amintsika sy ireo mpikambana anatin'ny BAD narahan'ireo solotenan'ny vondron'ny mpamatsy vola Afrikana ho an'ny fampandrosoana.
Tetsy amin'ny ivon-toerana fakana sy fanomezan-dràn'ny HJRA sy ny ivon-toerana fampiofanana arak'asa ireo sembana no nanombohana ny fitsidihana. Afa-po amin'ny fomba nitantanana ny famatsiam-bola ireo mpamatsy vola, ary hantenaina ny hitomboan'ny fiaraha-mientana ho an'ny fampandrosoana.
Tsy mitsanga-ko menatra ny ivon-toerana mitaha amin'ny any am-pita eo amin'ny lafony fikarohana, ary ny ara-pitaovana. Maharaka tsara ihany koa ny filàn'ny malagasy ny ivon-toerana, 80 ka hatramin'ny 120 isan'andro ny rà mivoka eto.
Ivon-toerana nahazo famatsiam-bola faharoa notsidihan'ny BAD niaraka tamin'ireo vondron'ny mpamatsi-vola afrikana ny ivon-toeram-pampiofanana ara-kasa ireo tanora manana fahasembanana etsy Tsarahonenana. Isan'ireo nisitraka tombon-tsoa tamin’izany i Justin, lehilahy iray jamba, nandrato fiofanana momba ny informatika ary miasa amina hotely goavana eto Andrenivohitra.
Tsy very an-javony ny famatsiam-bola fa tena nitondra ho an'ny fampandrosoana tokoa. Lasa velom-panantenana, mikaroka, mahavita asa, ary tsy azo tsinotsinoavina eo amin'ny lafony arak'asa ireo manana fahasembanana.
"Mino aho fa ireo vondrona afrikana mpamatsy vola voasoloterana eto dia afa-po avokoa, amin'ny zava-bita toa izao, izay tafiditra anatin'ilay paik'ady ho an'ny fampandrosoana imasoan'ny BAD. Apetraky ny BAD ho vaindohan-draharaha ny i Madagasikara. Ary efa ela izahay no nitoetra teto. Mbola hitohy hatrany ny asa. Mamporisika hatrany anay hanao bebekokoa ny itany androany": hoy I Mohamed Abdallah Cherif, Solotenan’ny BAD eto Madagasikara
Raha tsiahivina, ny alahady teo no nigadona teto Madagasikara niaraka tamin'ny filohan'ny BAD Akinwumi Adesina ireo vondron'ny mpamatsivola afrikana ho an'ny fampandrosoana. Tonga eto izy ireo hanatanteraka ny fivoriana hamaritana ny tetibola entina hanampiana ny firenena Afrikanina adiany faha 15 na ny FAD15.
Sahy SYLVAIN
Setra RANDRIANASY