EDITO

Nanatrika ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny Governemanta Malagasy sy ny tahirim-bolam-panjakana Frantsay momba ny tetik'asa Mandraka 3 sy ny Tetik'asa TPC (transport par câble-téléphérique) ny tenako ny maraina teo.

Ny Minisitry ny Toekarena sy ny Vola Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison sy ny Ministre délégué auprès du Ministre de l'Europe et des Affaires Etrangères Frantsay Franck Riester no nanatontosa ny fifianaovan-tsonia.

Zotra roa no hisy ny TPC dia ny:

- zotra mavo: Anosy - Andohalo - Ambanidia - Ankatso

- zotra volomboasary: Anosy - Ambohijatovo - Analakely Soarano - Antanimena - Ankorondrano -İvandry - Ambatobe.

Un honneur d’avoir participé à la 14ème session extraordinaire de la Conférence des Chefs d’État et de gouvernement de l' Union Africaine sur le thème « Faire taire les armes en Afrique », un défi majeur pour notre continent.

Mandripaka ny alan’Amazonia ny afo hatramin’izao. Hatry ny omaly, miaramila manodidina ny 43000 no nahetsika, hanafaingana ny fandevonana ny afo.

 
Niavaka tsy toy ny nahazatra isan-taona ny matso lehibe natao tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina nanamarihana ny faha 59 taona ny nahazoantsika ny fahaleovantena. Hipoka tanteraka i Mahamasina. Natosiky ny fitiavan-tanindrazana ny Malagasy, efa manomboka latsaka anatin’ny Malagasy ny fanamarihana ny fetin’ny fahaleovantena raha noharina tamin’ireo taona maro lasa.