19 Janoary 2019, 19 Janoary 2022. Feno telo taona katroka ny nandraisan’ny filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA fahefana. Fototrafitr’asa maro no efa vita, ary mitohy ny fanatanterahana ny velirano izay nifanaovany tamin’ny vahoaka.
Sosialim-bahoaka. Teny mahafehy ny asa isan’ny natao laharampahamehana sy nifotoran’ny fitondram-panjakana tato anatin’ny telo taona. Asa maro samy hafa tsy tambo isaina ho fitsaboana ny mangirifirin’ny mponina. Tsy nanavahana distrika, fa samy mahazo ny anjara fampandrosoana avokoa. Singanina amin’izany ny fanasoavana mitodika amin’ny famahana ny gejan’ny tsy fandriampahalemana amin’ny fametrahana ireo karazana toby miaramila maro amin’ireo faritra mena, sarodalana, tahaka ny tao Ambalakindresy, Iakora ary maro hafa. Ny fanolorana hoavy ho an’i Madagasikara amin’ny fampianarana ny zanaky ny malagasy amin’ny toerana mendrika azy. Satria dia 141 ny sekoly manara-penitra efa vita hatreto raha 360 no efa andam-pahavitana amin’izao fotoana, ary mbola hisy 303 ho apetraka.
Nanamarika izay fitaom-pitantanana izay ihany koa ny fahaiza-manao tamin’ny fifehezana sy ny fanohizana ny ady amin’ny valan’aretina Covid19. Asa Fanavotan’aina ny fametrahana hopitaly, satria dia maro ireo distrika efa nisitraka, ary ny eny anivon’ny Kaominina ny fametrahana ny CSB2. Tato anatin’ny roa taona, nisedra ny valan’aretina Covid19 i Madagasikara. Niantefa tamin’ny fivelomana, hatrany amin’ny ativilanin’ny mponina ireo fepetra noraisina noho ny aretina. Tsy namela ny vahoaka ho irery anefa ny fitondrana. Nanome tosika marolafy sy fanampiana. Raha ny mahakasika ny akon’ny aretina indray. Iaraha mahalala ny zava-misy any am-pita, ary tsy mampisalasala ny milaza fa raha tsy nisy ireo paik’ady nampiavaka antsika, faty nikararana ny teto Madagasikara. Teo ny CTC mahasahana ny fahafenon’ny hopitaly ary ny goavana indrindra, ny nanapariahan’ny fitondram-panjakana ny Covid organics. Ary manoloana izao krizy nateraky ny aretina izao. Manao ireo hezaka rehetra hifehezana ny vidim-pianana, manolotra ny kaly tsinjo, ny vary mora ny fitondrana.
Ny fanolorana vahaolana maharitra ho an’ny atsimon’ny nosy ianjadian’ny Kere izay tsy nisy nahavita tato anatin’ny 60 taona. Anisan’ny nanamarika ny fitondrana ankehitriny
Olana ara-tsosialy noho ny fahasimban’ny tontolo iainana ka nitarika tsy fanjariana ara-tsakafo ho an’ny tapany Atsimon’ny nosy. Efa nisy hatramin’izay ny kere, saingy tamin’ity fitondrana ity no napetraka ho laharam-pahamehana ny famahana azy. Tetik’asa efa amperin’asa hatongavana amin’izany ny Titre vert. Hiroso amin’ny famatsian-drano ihany koa ny fanjakana satria dia hitarika an’i Renirano Efaho ho an’Androy sy ny manodidina. Anisan’ny nanompanan’ny fitondram-panjakana ezaka goavana tamin’iny taona 2021 iny fanamboaran-dalana na ny teto an-drenivohitra na ny lalampirenena na ireo lalana isaky ny Distrika ary ireo ny lalana vita tara manerana ny Faritra 23 eto Madagasikara. 5 Taona no nomen’ny lalam-panorenanana ho fempotoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika. Atao anatin’ny roa taona manaraka ; mbola mitohy ary mitombo hatrany ny fitsinjovana ny sosialy. Ny tetik’asa fampandrosoana, ary indrindra ny famahana ny olam-bahoaka.
Sahy Sylvain