Dingana goavana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa goavana Tanamasoandro no vita teto Abu Dahbi.
Nandritra ny fihaonako tamin’ny filohan’ny filankevim-pitantanan’ny vondrona AL JABER, Obaid Khaleefa Jaber Al Murri dia vita ny fifanarahana fa ity vondrona matanjaka sy fanta-daza manerantany ity; izay nanangana ireo fotodrafitrasan'ny tanan'i Dubai sy Abu Dhabi no hiara-dalana amintsika hanangana ny Tanamasoandro. Hanome asa ny vahoaka Malagasy ny fanatanterahana ny tetikasa ary nifanekena fa ny 60% an’ireo akora sy fitaovana ho ampiasaina dia ho vokarina any Madagasikara avokoa.
Vita sonia nandritra ny fihaonana ny "mémorandum d’entente » teo amin’ny Madagasikara sy ny vondronaa AL JABER ary ny « One World Impact Capital »