Raha isaky ny faran’ny taom-pahavaratra, isan-taona, no misy fahamaizana mitranga toy izao ao Brésil, niavaka tsy toy ny isan-taona ity indray mitoraka ity. Ny fiatombohan’ny volana jolay 2019 teo no efa nirehitra ny alan’i Amazonie, ary mbola tsy lefy hatramin’izao. Raha ny tombatombana avy amin’ny INPE na vondrona nasionaly misahana ny fikarohana an’habakabaka, ala manodidina ny 79 513 no efa ringana, hatramin’ny fiatombohan’ity taona 2019 ity, ary ny atsasamanilan’izay dia avy ao Amazonie avokoa. Ala manodidina ny 3000 isa no efa may, nanomboka ny zoma 23 Aogositra katramin’ny androany 26 Aogositra.
Miaramila manodidina ny 43000 isa sy fiaramanidina roa afaka mitatitra rano 12000 litatra no efa nahetsika, noho ity tranga ity. Tsy maharaka ny filana anefa ny rano taterin’ireo fiaramanididna ireo ka isan’ny mampanano sarotra ny famonoana ny afo izany. Nanambara ny filoham-pirenena Boliviana fa misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny firenen-drehetra izy ireo, manoloana izao voina izao.
Hoan’ny firenena Bresiliana, efa nihetsika ny mpitandro ny filaminana ka nisantatra ny fampiasana ilay fitaovana mandefa rano amin’ny alalan’ny angidim-by ireo nanomboka omaly. Tao anatin’ny 24 ora, loharanon’afo maherinan’ny 1000 no efa tsikaritry ny mpitandro filaminana. Manome tsiny ny fitondrana ny akamaronan’ny mponina, mandeha ny resaka fa mandrisika ny olona handripaka ny ala ny fanjakana. Saingy nanampy azy ireo ireto farany, satria dia nanokana vola maherin’ny 8 tapir’isa euro ny avy amin’ny fitondram-panjakana.
Mbola tsy mahavaha ny olana amin’ny akapobeany izao , hoy ny vahoaka bresiliana. Hatry ny omaly, aman’arivony izy ireo no nidina an-dalambe tao Rio naneho izay tsy fahafam-pony izay.
 
Tiavina ANDRIANJAFITSEHENO