Miisa 50 ireo atleta malagasy tonga avy any Maorisy omaly, niaraka atmin’ny delegasion’ny ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena.
Andiany farany tamin’ireo atleta niatrika sy nifaninanana tamin’ny lalaon’ny Nosy teto amin’ny ranomasim-be indianina, andiany fahafolo, ireo nigadona an-tanindrazana ny tolakandron’ny 30 jolay ireo. Atleta niady ho an’ny voninahi-pirenena ary nitondra vokatra tsara ihany koa. Anisan’ireo nitondra vokatra tamin’ity lalaon’ny Nosy ity ohatra ny taranja hazakazaka na ny atletisma. Nahazo medaly volamena teo amin’ny 4x100 m i Arold ary mirehareha fa niady ho an’ny tanindrazana tokoa.
Tsara ny vokatra ary manamafy izany ny teo anivon’ny ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena na dia teo aza ny lesoka samihafa. Isan’ny namiratra i Madagasikara.
Betsaka ireo ezaka mbola atao sy ireo tetik’asa eo anivon’ny Ministera miahy ny fanatanjahantena sy ny tanora hanatsarana ny fahaiza-manao sy hampandrosoana ny fanatanjahantena eto Madagasikara, raha ny nambara hatrany.
Naté RAKOTOMAVO
Judicael RANDRIANIRINA