Nihaona tamin’ny Ministry ny tanora sy ny fanatanjahantena, Tinoka Roberto, androany ny Filohan’ny konfederasiona afrikanina ny baolina kitra na CAF, Ahmad Ahmad teny amin’ny biraony teny Ambohijatovo. Voaresaka nandritrin’ny fihaonana mazava ho azy ny fandraisana anjaran’ny ekipam-pirenena ny baolina kitra malagasy amin’ny CAN. Ankoatr’izay, nandamina ny mahakasika ny fandraisana ireo delegasiona malagasy an’i Egypte ihany koa ny roa tonta mandritrin’ny fahatongavana sy ny fotoana hivahinianana any an-toerana. Tsy ny mahakasika ny CAN ihany anefa no resaka nivoitra nandritrin’ny fihaonana koa ny fiaraha-miasa maharitr’i Madagasikara sy ny CAF ary ny FIFA.
Nanamafy kosa ny Filohan’ny konfederasiona afrikanina ny baolina kitra na CAF fa vonona ny hiara-hiasa amin’ny fanjakana malagasy amin’ny finiaviana asehony amin’ny fanandratana avo ny fanatanjahantena. Etsy ankilany, naneho hevitra fohy mahakasika ny raharaha fiantsoana azy tao Paris izy ary nanambara fa mazava ny valitenin’ny Tonia mpampanoa lalàna tao Marseille. Misy rahateo, hoy izy, ny firenena mitady haka ny toerana misy azy ka manao ny fomba rehetra hanalana azy eo.