Atleta lahy sy vavy mendrika indrindra tamin’ity taona ity no notoloran’ny fanjakana mari-pankasitrahana manokana omaly.
Fanomezana lelavola arahana fety aman-danonana no nomanin’ny filoham-panjakana mpisolo toerana Rivo Rakotovao ho an’ ireo atleta ireo teny Iavoloha, mba ho famaranana miaraka ny taom-pilalaovana 2018 ho an’ny rehetra.
Fitambaran’ny atleta mendrika nandritran’ny fifaninana iraisam-pirenena avy amina taranjam-panatanjahantena maromaro samihafa izao notolorana mari-pankasitrahana izao, toy ny lalao basketball, rugby, atletisma, handball, tenisy, tenisy ambony latabatra, tsipy kanetibe, kick-boxing, judo, fibatana fonjam-by ary body building. Lelavola mitentina 1 tapitrisa Ar avy no azon’ireo izay nahazo medaly volamena, 5 hetsy Ar avy hoan’ireo izay nahazo medaly volafotsy, ery 2 hetsy Ar avy kosa ny an’ireo izay rehetra niravaka alimo. Fa nahazo ny anjarany manokana ihany koa anefa ireo mpanazatra.
Ilaina ny firaisan-tsaina amin’ny fanaovana fanatanjahantena hoy ny filoha Rivo Rakotovao. Ary mbola namafisiny hatrany fa miankina amin’ny ezaka atao ihany no hahazoana vokatra tsara, tsy tokony ho mora kivy amin’ny faharesena mitranga ihany koa ny mpilalao fa ireny no tokony hampiezaka ny tsirairay, ka hahatonga fandresena indray amin’ny lalao manaraka.
Felaniaina Tiavina