Tsy maintsy ho vita mialohan'ny 26 jona 2020 ny rovan'i Manjakamiadana. Natomboka teny anatirova ny marainan’ny 11 aprily 2019 ny asa fanamboarana ny Rova. Fanamby efa napetraka ny hamerenana amin'ny endriny fahiny ity vakoka reharehan'ny firenena ity hoy ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina nandritra ny lanonana ka tsy maintsy tontosa.

24 taona aty aorian'ny nahamay ny rovan'i Manjakamiadana, vory olona teny an-dapa. Hita teny ny avy amin' ny lafivalon'ny Nosy, na ireo ray amandreny ara-drazana na ireo tompon'andraiki-panjakana, niaraka tamin'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny ankohonany. Endrika mirana no hita tamin’ny rehetra satria velona ny fanantenana hahita indray ny Rova amin'ny endriny taloha.  Nanetriketrika no sady nandala ny hasina sy kolontsaina maha Malagasy ny lanonana noravahin’ireo hira gasy sy asa ampinga ary kabary.

 

Mariky ny fiandrianam-pirenena


Reharehan'i Madagasikara iray manontolo ny rovan'i Manjakamiadana ary  ahafantarana an'i Madagasikara maneran-tany. “Mariky ny fiandrianam-pirenentsika ihany koa ka hovitaina mialohan'ny fankalazana ny faha60 taona niverenan'ny fahaleovantena”, hoy ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina. ankoatry ny hiverenany amin'ny endriny hatrizay dia ho vakoka ahafantaran'ny taranaka ankehitriny ny tantara ny Rova ary ho vakoka iraisam-pirenena. 

Raha tsiahivina, roapolo taona mahery izao no naharava ny Rova. Maro ireo ezaka efa natao saingy tsy vita ihany ny Rova hatrizao.

Nankasitraka manokana ny ezaky ny filoham-pirenena ny ministry ny Kolontsaina sy ny Serasera izay nampahatsiahy ny tantaran'ity toerana ity sy ny maha zava-dehibe ny asa atomboka ankehitriny. 

Ho fanajana ny rafitra nitsanganan'ny Rova hatrizay. Ny lapan'i Besakana, lapa isan'ireo tranainy indrindra niorena teto, no nametrahana ny hazo fehizoro nanamarihana ny fanombohana ireo asa hamitana ny fanarenana ny Rova. Fanarenana hamelomana ny hambompom-pirenena ho amin'ny fampandrosoana, hoy ny Filoha Andry Rajoelina.

 

Judicaël R.