Henjehina araka ny làlana velona ireo mpanondrana sy ireo nahatonga ny fandefasana ireo vehivavy Malagasy miasa any ivelany ka manana olana sy nijaly ary hanonitra ny karama sy voarain’ireo mpiasa sy ny lany rehetra amin’ny fikarakarana ireo vehivavy Malagasy izy ireo .
Tapaka nandritry ny filankevitry ny minisitra, ny 10 aprily 2019, fa hihamafy ny sazy azon’ireo manondrana antsokosoko ireo mpiasa malagasy makany ivelany, ary ireo izay rehetra fantatra fa nandefa ireto teratany malagasy nampodiana ka niharan’ny herisetra, na tsy nandray ny tambin-karamany. Ka ireo mpandefa sy ireo voarohirohy mivantana na ankolaka amin’ny fandefasana azy ireo no hanonitra ny
lany rehetra sy ny tambiny rehetra mahakasika ireo vehivavy Malagasy nampodiana.
Hisy koa ny fanarahamaso manokana ireo toerana fanondranana ireo vehivavy malagasy hiasa any ivelany izay voarara sy tsy nahazoan-dàlana ka harahi-maso akaiky ireo fivoahana ivelan’i Madagasikara amin’ireo zotram-piaramanidina mampitohy an’i Madagasikara amin’ireo faritra voarara ireo.
Hisy kosa ny laharana antariby manokana ahafahan’ny rehetra mifandray mivantana amin’ny tomponandraikitra manoloana ny kolikoly sy ny fanakanana tsy amin’antony atao ireo tera-tany malagasy miditra sy mivoaka etsy amin’ny seranam-piaramadina rehetra iraisam-pirenena.
Ireo mpiasa malagasy manana taratasy ara-dàlana izay efa miasa any ivelany kosa dia afaka mivezivezy malalaka eto antanindrazana.
Tsy hisy fahazoan-dalana
Hisy ny fanentanana sy fampahafantarana ny rehetra iarahan’ny ministera maro misalahy manoloana ireo herisetra atao amin’ireo vehivavy malagasy mandeha mitady ravinahitra na mifindra monina any ivelany, ho fampahafantarana azy ireo ny loza sy ny zavatra miandry azy ireo any ivelany indrindra any amin’ireo faritra voarara handehanana hila ravinahitra.
Tsy misy intsony fahazoandalàna hiasa mankany ivelany makany amin’ireo firenena tsy ahitana masoivohom-pirenena Malagasy, sy any amin’ireo toerana tsy manaja ny zon’olombelona ary any amin’ireo firenena tsy manana fehezandalàna mifehy sy manaja ny zo maha olona ny isambatan’olona.*
Nangonin’i N. R.