Ny antotan’isa navoakan’ny INSTAT dia milaza fa ny antsasamanilan’ ny Malagasy dia miaina ao anatin’ny fahantrana tanteraka. Araka ny fampanantenana nataon’ny filohampirenena dia tsy maintsy apetraka ireo tetik’asa hamonjena ny amehana ara-tsosialy « Plan d’urgence sociale » sy tan-tsoroka ho fanampiana ny vahoaka malagasy sy fitsinjovana manokana ireo tena marefo sy mahantra. Famantsiam-bolan’ny Fanjakana Malagasy no nentina nanatanterahana izany. 16 500 taonina ny vary no efa tonga ary hamidy arivo ariary (1 000 Ar) ny kilao.
Ferana ho telo (3) kilao ny « vary mora » hamidy ho an’ny tokatrano iray ary in-droa isankerinandro eny anivon’ny Fokontany. Amin’ny alalan’ny kara-pokontany no ahafahana mividy izany. Ny fianakaviana sy sokajin’olona tena sahirana no hisitraka izany.
Hanomboka ny asabotsy 23 martsa 2019 ho avy izao ny fanapariahana ireo « vary mora » ireo, ary haparitaka any amin’ny Faritra rehetra manerana an’i Madagasikara.
Ho entitra ny fanarahamaso sy ny fandaminana amin’ny fivarotana ity « vary mora » ity, ka hisy ny sazy henjana hoan’izay tratra manodikodina na mivarotra ambongadiny ity vary natokana hampihenana ny vesatry ny alafosan’ny vidim-piainana any amin’ny mponina tena sahirana ity.
Masomboly voafantina
Etsy andaniny, tsinjovina manokana ireo tantsaha sy mpamboly mba hampitomboana ny vokatra ka hisy ny masomboly voafantina « hybdride » mitontaly 300t fanampiana avy amin’ny Sinoa hanatsarana ny vokabary aty amintsika, izay ahafahana manatsara ny vokabary ao anatina velarantany 20 000 ha.
Hampianarina ireo tantsaha amin’ny alalan’ny tetik’asa PAPRIZ iarahana amin’ny japoney hanatsara ny taham-pamokarana ankapobeny. Hapetraka eto amintsika ny fenitra eken’ny tsena iraisam-pirenena eo amin’ny vokatra vokarina eto antoerana mba hahafahan’ny vokatra eto amintsika miditra eo amin’ny tsena iraisampirenena.
Hanafatra masomboly voafantina natao hoan’ny vary antanety avy atsy Afrika andrefana isika
amin’ny alalan’ny Africa Rice ka ahafahantsika mamokatra vary tsara kalitao kokoa ao anatina velarantany 25.000 ha izay mifanentana amin’ny filan’ny tsena ivelany.
Hisy hetsika manokana koa ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fikarohana lalam-barotra aty amin’ny faritra manodidina ny ranomasimbe indiana ary handrindra araka izany ny vokatra aondrantsika araka ny filan’ireo firenena samihafa mba hifanaraka amin’ny voly ataontsika ny kalitaon’ny entana sy ny tsiron’ny entana tadiavin’izy ireo.
Nangonin’i N.R.