Dinika nifanaovana tamin’ny praiminisitra maorisiana sady lehiben’ny fitondrampanjakàna any an-toerana no nanokatra ny fandaharam-potoanan’ny filohan’ny repoblika Andry Rajoelina ny 11 Marsa 2019 tao amin’ny lapam-panjakàna misy ny praiminsitra ao Port louis.

Nitohy tamin’ny fikaonan-doha nifanaovan’ny delegasiona notarihan’ny filohan’ny repoblika malagasy sy ireo solon-tenan’ny fitondram-panjakàna maorisiana ny fihaonana. Vokatr’izay dia nisy ny fanaovan-tsonia fifanarahana izay niompana tamin’ny fiaraha-miasa vaovao momban’ny raharahampitsaràna, momban’ny fampianarana ambony ary mahakasika ny fampanarahandalàna ara-tsiantifika eo amin’ny lafiny ara-barotra. « Asa mivaingana avy hatrany fa tsy mijanona ho fifanarahana fotsiny ny fiaraha-miasa amin’ny Nosy Maorisy manomboka izao » hoy ny filoham-pirenena malagasy.

Nilaza kosa ny Praiminsitra maorisiana fa tsy azo hiodivirana intsony ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena eto amin’ny faritry ny ranomasimbe indiana. Raha miara-mientana isika dia tsy maintsy miara-mandroso ny rehetra hoy ity lehiben’ny fitondrampanjakàna maorisiana ity. Noarahabainy manokana ihany koa ny fahavononan’ny filoha Andry Rajoelina sy ny fahavitrihany amin’ny fikaroham-bahaolana ho an’ny fampandrosoana an’ i Madagasikara.

 

 Ho sompitry ny ranomasimbe Indiana

 

Misy koa ny fifanarahana ara-toe-karena momban’ny hamerenana an’i Madagasikara ho sompitry ny ranomasimbe Indianina ka hanafatra katsaka 50 000 taonina isantaona amin’i Madagasikara ny Nosy Maorisy.

Eo ihany koa ny fanafarana tongolo sy ovy ary hazan-dranomasina. Nofenoina 7/7 andro ny fifamezivezena eo amin’ny zotra Air Mauritius makaty Madagasikara mba hahatratrarana ny tanjona dia ny hampitombo ny mpizahan-tany ho 800 000 ao anatin'ny dimy taona.

Nangonin’i N. R.