Ny tsy fahampian’ny herinaratra dia isan’ny mitarika ny fitotongan’ny harinkarena ary mitarika fahantrana. Isan’ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana ny fanomezana herinaratra ho an’ny rehetra ka hampitomboana ny tahan’ny fahazoana herinaratra ho an’ny malagasy rehetra. Kendrena ho 50% izany amin’ny taona 2024 raha tsy misy afa-tsy 15% izany ankehitriny.
Ho an’ireo faritra tena lavitra ka mety tsy ho tratry ny « raccordement » azo avy amin’ny fanitarana ny fitsinjarana herinaratra dia ny fampivelarana sy fanapariahana ny « Kit Solaire » no vahaolana ho entina amin’izany. « Kits Solaire » misy karazany 03 no haparitaka araka izay filan’ny mponina, toy ny « kit solaire » ahitana jiro sy loharanon’aratra (prise) famahanana finday, ny « kit solaire » ahafahana mampiasa « ventilateurs » ankoatra ireo jiro sy prise famahanana finday ary ireo « kit solaire » mahazaka fitaovana elektrika matanjaka, toy ny vata fampangatsiahana, televizionina, ambonin’ny jiro sy ny prise famahanana finday.
1 na 2 dôlara isam-bolana
Ny Banky Afrikana hoan’ny Fampandrosoana (BAD) no hanampy ary hanome teti-bola 1 tapitrisa dolara hanaovana ny fanadihadiana hamaritana ny tena filan’ny mponina ary isika eto Madagasikara no hatao tetik’asa andrana na « projet pilote » amin’ny fanapariahana ireo « kits solaires » misokajy 03 ireo. Amidy amin’ny vidiny mirary arakaraka ny fahefa-mividin’ny mponina izany ka 1 na 2 dôlara isam-bolana mandritra ny 12 volana ka hatramin’ny 24 volana. 2 hetsy (200.000) isan-taona farafahakeliny ny tokantrano ho vatsiana jiro mba hivoaran’ny isam-batan’olona sy hisian’ny tena fandrosoana marina.
Nangonin’ i N. R.