Nidina ifotony nijery ny fandrindrana ny lamina napetraka amin’ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny Tafika Malagasy, ny Zandarimariam-pirenena ary ny Polisim-pirenena ho famerenena ny fandriampahalemana eto Antananarivo ny Praiminisitra, Lehiben’ny governementa, Ntsay Christian, ny alin’ny 20 febroary 2019. Faritra maromaro no notsidihina tamin’izany : Cenam (67ha), Andavamamba, Ambilanibe, Anosibe, Ambohipo ary Ambolokandrina.
Tsikaritra nandritra izao hetsika izao fa mbola misy ireo tsy fanarahan-dalàna maro, tahaka ny tsy fanajan’ireo toeram-pivarotana zava-pisotro mahamamo ny ora tokony hikatonana, teo ihany koa ireo olona mifamezivezy amin’ny alina izay nampiahiahy. Na izany aza anefa dia hita fa amin’ny faritra sasany, toy ny tao Anosibe dia misy ny fandraisan’andraikitry ny vahoaka amin’ny fametrahana vaomieran’ny fandriampahalemana, hanatevenana ny fitandroana ny filaminana.
Nanambara ny Praiminisitra fa hitohy manerana ny nosy ny hetsika, ary efa nisy vokany ny ezaka nataon’ireo mpitandro ny filaminana saingy ilaina ny ezaka avy amin’ny tsirairay mba hialana amin’ireo goragora sy tsy fanarahan-dalàna ka hiverenan’ny filaminana tanteraka.
Nangonin’i N. R.