Fahombiazana ary nahazoam-bokatra avy hatrany ho an’i Madagasikara ny dian’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina tany Addis Abeba. Tsy niova tamin’ny fampanantenany ny hanolotra herinaratra ho an’ny rehetra ny filoham-pirenena. Voaresaka tamin’ny ankamaroan’ireo fihaonana ny fomba ahatrarana izany.
Raha ny fanazavan-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy A. izay nanatrika ny fihaonana niaraka tamin’ny Filoham-pirenena, hitady lalam-bola ho fanatanterahana io famokarana herinaratra 100 MW io ny UNECA (United Nations Economic Commission for Africa na Vaomiera Ekonomikan’ny Firenena mikambana misahana an’i Afrika), ary rehefa izany dia fanamby napetraky ny roa tonta fa tsy maintsy hatomboka anatin’ny herintaona ny asa hamokarana io herinaratra io. Ny marainan’ny alatsinainy 11 febroary no nisian’io fihaonana io.
Ankoatr’izay, nihaona tamin’ny filohan’ny repoblika Andry Rajoelina ihany koa avy eo ny tale jeneralin’ny sampandraharahan’ny fiaraha-miasa ho amin’ny fampandrosoana eto anivon’ny vondrona afrikana. Nanao jery todika ny fiaraha-miasa efa nisy hatrizay. Ary nijery ireo fiaraha-miasa hoavy, indrindra ny mikasika ny fampiroboroboana sy fampivoarana ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana eto Madagasikara.
Nangonin’i N. R.