Pejy vaovao no misokatra ho an'i Madagasikara malalantsika.
Havadintsika ho asa ireo VINA napetraka. Ataontsika toy ny hazo midoroboka ka ny ravina no mihintsana hanara-taona. Fa ny fakany dia hampijoro hatrany sy ho fototra iorenan'ny soa toavina Malagasy.
Efa nandresy ny demokrasia koa tsy hanaiky ho saraham-bazana sy ampirafesina isika ary ho alavirintsika ny fankahalana. Hiray hina isika, handroso fa tsy hihemotra.
Pejy hiarahantsika hanoratra ny tantara vaovao ho an'ity nosy malalantsika ity.
Satria mendrika hanana ho avy tsara sy mamiratra ny vahoaka Malagasy.
Mirary taom-baovao sambatra ho antsika rehetra!
Andry Rajoelina.