Araka ny vaovao niely farany nahakasika ilay rivodoza izay mananontanona eo amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana, dia nanome fanazavana misimisy kokoa mifandraika amin’izany androany ny teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro.
“Hiaina ao anatin’ny rivodoza ve izahay? Ho ratsy andro ve ny fetin’ny noely amin’ity taona ity? Mbola hiampy hatrany ve ny tànana dibo-drano sy toerana hiparitahan’ny maloto nohon’ny firotsahan’ny orana?” Fanontaniana miveriberina ao an-tsain’ny vahoaka malagasy izany rehetra izany ankehitriny. Ankoatra ny fanatanterahana ny fifidianana fihodinana faharoa anio manko dia ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny andron’ny noely, ny lanonan’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao ihany koa ny olon-drehetra.
Namaly ireo fanahian’ny Malagasy ireo anefa ny tomponandraikitra avy ao amin’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro fa tsy atahorana ny hidiran’ilay rivodoza “Kenanga” izay niforona vao aingana avy ao amin’ny faridranomasina Indiana, fa ireo nosy rahavavy no mety hiantefan’izany. Nanamafy ihany koa izy ireo fa ho tsara ny andro saingy haka vonin’andro ririna izany ao anatin’izao 3 andro manaraka izao.
Arak’izany, ny zoma hariva vao heverina fa mety hivatravatra mafy ny orana, raha ny eto Antananarivo manokana sy ny manodidina rehetra. Fa ankoatra izay anefa, tombanana ho lasa rivodoza ihany koa ilay tangoron-drahona ao Avaratra Antsinanan’ny Nosy ato anatin’ny 2 na 3 andro, raha ny fampitam-baovao azo hatrany.
Felaniaina Tiavina