Fikaonandoha niaraka tamin'ny manampahaizana manokana avy eto an-toerana sy avy any ivelany, ary tompon'andraikitra maro sy olon-tsotra liana tokoa ny hisian'ny fihatsarana amin'izay eo amin'ny sehatry ny fandriampahalemana no notarihin'ny kandidà Andry Rajoelina.

"Velirano no hataoko amin'ny Malagasy rehetra fa ho filoham-pirenena hiaro ny vahoaka sy ny fananany aho."

Izay no nambaran'ny filoha mpanorina ny "Initiative pour l'Emergence de Madagascar" ny alakamisy 29 novambra teny amin'ny "Centre de Conférences International" eny Ivato nandritry ny dinika momba ny fandriampahalemana sy fiarovana izay notarihany.

Nilaza i Andry Rajoelina tamin'ny kabary fanokafana nataony fa fanamby ataony ny hampihena ny halatr'omby hatramin'ny 50% ao anatin'ny 2 taona, ary hahena isan-taona izany. Ankoatra izay, homena fampitaovana manarapenitra sy manaraka ny toetrandro ihany koa ny mpitandro filaminana mba hahafahany miady mahomby amin'ny tsy fandriampahalemana.


"Tsy misy ny fampandrosoana mirindra ny Firenena iray raha tsy tafapetraka ny fandriampahalemana sy filaminana",

hoy hatrany ny Filoha mpanorina ny IEM. Na ny tsy fandriam-pahalemana an-tanan-dehibe, na ny any ambanivohitra dia mila hitondrana vahaolana maharitra avokoa.
Nasiany tsindrim-peo manokana ny mikasika ny "puce électronique" hapetraka amin'ny omby.

Fanamby apetraka ny hampidinana hatramin'ny 50% ny isan'ny omby very. Ny fanaraha-maso ny omby amin'ny alalan'ny "puce" no vahaolana hahatrarana izany, hoy Andry Rajoelina.


Tsy miandry efa Filoham-pirenena izy fa mitady avy hatrany vahaolana tena mahomby entina hiadiana amin'ny tsy fandriampahalemana izay mampikaikaika ny vahoaka rehetra manerana ny Nosy, efa an-taonany marobe izao.