Tonga nitsidika ara-pomba fifanajana ny Praiminisitra Ntsay Christian ny Ambasadaoro vaovaon’i Sina miasa eto amintsika, Ramatoa Guo Xiaomei, ary izany dia narahina lanonana nanoloran’ny Masoivoho Sinoa fanomezana, izay tafiditra indrindra ao anatin’ny ady atrehin’i Madagasikara amin’ny tsy fanjariantsakafo, antsoina amin’ny fiteny mahazatra hoe « kere ».
Ny fiaraha-miasa teo amin’ny ministeran’ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, ary ny Masoivohon’i Sina no nahatongavana tamin’izao fanolorana fanomezana izao, ary ny ministera no hiandraikitra ny fitantanana izany, ka nanatrika ny lanonana ny minisitra.
Nampita ampahibemaso ny Ambasadaoro fa nahafahana nifanakalo ny amin’ny hanatsaràna ny fifandraisana efa misy eo amin’ny firenena roa tonta, ny fihaonany voalohany tamin’ny Praiminisitr’i Madagasikara androany. Nitovy fomba fijery ny andaniny sy ankilany mikasika ny hampivoarana ny fampandrosoana, ka ho an’ny firenena Sinoa dia ny fanitarana ireo fanampiana sy hetsika eo amin’ny lafiny ara-tsosialy no anjara birikiny, mba hananan’ny Malagasy fiaraha-monina mivoatra kokoa, izay ikendrena hatrany ny fisandratan’i Madagasikara, ary ny fivoaran’ireto firenena roa izay miara-miasa.
Rehefa nampahafantatra an’ireo fanomezana hatolotra ny Ambasadaoro dia notsiahiviny ny halalin’ny fifankatiavan’ny vahoaka Malagasy sy Sinoa, ary nomarihiny fa fihetsika tsotra ihany ny androany saingy manaporofo kosa ny firaisankinan’ny Masoivoho amin’ireo ianjadian’ny kere.
Manoloana izany dia nanazava ny Praiminisitra fa ny minisitra mpiahy ny any Atsimo no hanara-maso ny fampidinana ireo fanomezana voaray, ho any amin’ny CCO-K, ary ny fanatanterahana an’izany dia amin’ny alalan’ny BNGRC. Nanolotra fisaorana feno ho an’ny governemanta Sinoa sy ity Ambasadaoro vaovao izay nikarakara ny fanolorana fanomezana, ny Praiminisitra.