Tonga naneho ny fiaraha-miory tamin’ny fianakavian’ireo niharam-boina noho ny fifanosehana tetsy Mahamasina ny filohan’ny repoblika Andry RAJOELINA sy ramatoa vadiny ny alin’ny 26 jona. Nitondra ihany koa fanampiana ho an’ireo naratra. Miara-ory amin’ny vahoaka ny fitondrana ary miara-mizaka koa. Nankahery ireo namoy Havana tsy fidiny, ny filoha ary nitondra ny teny famangiana ho azy ireo.
Aina no nafoy, aina Malagasy, ary mpiray tanindrazana ireo naratra koa niara-ory tamin’ireo niharam-boina ny filoham-pirenena ary nanambara avy hatrany ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ireo maratra.
Tonga avy hatrany teny amin’ny hopitaly alina ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny governemanta, niaraka tamin’ny praiministra Christian NTSAY. Nahitana fa na anatin’ny hafaliana na anatin’ny sarotra sy fahoriana anilan’ny mponina ny fitondrana.
Hiantohan’ny fanjakana manontolo ny fitsaboana ireo naratra nandritra iny loza iny.
Judicaël RANDRIANIRINA
Ando RAHAJANDRAIBE