Ny fampielezankevitra, ny fampielezankevitra alohan’ny fotoana ary ny fiomanana amin’ny fampielezankevitra.  Mazàna dia toa mitovy ny fiheveran’ny olompirenena ireo teboka telo voatanisa ireo, toy izao ny fintim-panazavana mikasika izany avy amin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny CENI, dia ny filoha lefitra, Thierry Rakotonarivo.

  1. Ny fampielezankevitra (campagne électorale) dia feran’ny didim-panjakàna ka amin’ity fifidianana Solombavambahoaka ho avy ity dia hanomboka ny alatsinainy 6 mey amin’ny 6 ora maraina izany ary hifarana ny asabotsy 25 mey amin’ny 12 ora alina. Ny hetsika rehetra sy ny ny fomba rehetra hitaomana sy handresena lahatra ny mpifidy handatsa-bato ho an’ny kandida iray no atao hoe fampielezankevitra.

 

  1. Ny fampielezankevitra alohan’ny fotoana (campagne avant l’heure) dia voararan’ny lalàna ka tsy azo atao. Mety hitarika hatrany amin’ny fanafoanana ny vato ao anatin’ilay faritra nanaovana fampielezankevitra alohan’ny fotoana ny finiavana hanao izany fampielezankevitra mialoha ny fotoana izany.

 

  1. Ny fiomanana amin’ny fampielezankevitra (pré-campagne) kosa dia izay diavintsika amin’izao fotoana izao ka miisa telo ireo azo atao :
    -  ny manambara amin’ny fomba rehetra fa kandida hilatsaka hofidiana ny kandida iray (déclaration publique de candidature) : famoriam-bahoaka, peta-drindrina, fitenenana amin’ny haino amanjery sns). Azo ampiasaina sy ampahafantarina avy hatrany koa ny laharana ao anaty bileta tokana mandritra izany.
                    - mitety faritra, mamory vahoaka manangana ny antoko (vondrona mpanohana na comité de soutien).
                    - mampahafantatra ny programanasa.

Tsy azo atao mihitsy ny manao teny na fihetsika ka mitaona ny olona hifidy na handatsa-bato ho an’ilay kandida mandritra ny fiomanana amin’ny fampielezankevitra.

Nangonin’i N. R.