862 ny isan'ireo taratasy firotsahankofidiana ho solombavambahoaka voaray nanerana ny nosy. 803 amin'ireo no neken'ny CENI foibe fa kandida handray anjara amin'ny fifidianana solombavambahoaka. Antotan-taratasy fangatahana hirotsaka ho fidiana miisa 59 kosa no nolavina. Maro no antony nandavana ireo antontantaratasy ireo raha ny fanazavana nomen'ny mpikambana eo anivon'ny CENI foibe : tao ireo kandida tsy nahaloa ny saran'ny firotsahan-kofidiana 5 tapitrisa ariary, misy ihany koa ireo kandida tsy madio ara-pitsarana.

Raha ny lisitra ofisialin'ireo kandida navoakan'ny CENI androany  19 martsa kosa indray dia ny distrikan'Ambatondrazaka no nahitana kandida betsaka indrindra satria  miisa 19 ireo handray anjara. Ny any amin'ny distrikan'Ambatomainty sy ny distrikan'Ihorombe no nahitana kandida vitsy indrindra,kandida miisa roa avy.

Eo amin'ny miralenta kosa indray dia 15 % ny taha-pandraisan'anjaran'ireo vehivavy nirotsaka ho kandida solombavambahoaka. Miisa 126 ny isan'ireo kandida vehivavy.

Ny zoma 22 martsa izao no hanatanterahina ny antsapaka ahafantarana  ny laharan'ireo kandida anaty bileta tokana.Eny anivon'ny OVEC isaky ny distrika no hantanterahina io antsapaka io.

 

N.R.