LEGENDE / Tolo-kevitra ny an’ny CENI fa ny governemanta no manapaka
Efa eny am-pelatanan’ny governemanta ny tolo-kevitra momba ny fifidianana solombavambahoakan’i Madagasikara, izay avy amin’ny vaomieram-pirenena misahana, mikarakara ary miandraikitra ny zotram-pifidianana (CENI). Tafiditra ao anatin’io sosokevitra io ny teti-andro, ny vola alohan’ireo kandida, ary ny fomba firotsahan-ko fidiana.
Voalohany, ny andron’ny alatsinainy 27 May no hanatanterahana ny latsabato. Nosafidian’ny CENI ny andro alatsinainy hanamorana ny fanomanana sy ho fitsinjovana ireo mpianatra.
Manarak’izay, ferana ho 5 tapitr’isa ariary (5 000 000 Ar) ny vola alohan’ireo hilatsa-ko fidiana, ary fahatelo farany, nangataka ny CENI ao anatin’io tolo-kevitra io ny hanataterahana ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-ko fidiana eny amin’ny ratsamangaikan’ny CENI eny anivon’ny Distrika na ny CED. Fanampin’izay, ho atao eny anivon’ny Distrika ny atsapaka amin’ny filaharan’ireo kandidà amin’ny bileta tokana.
Miandry ny governemanta
Raha ny teti-andro mifanaraka amin’ny fotoana natolotry ny CENI, manomboka amin’ny 26 febroary ho avy izao , ary haharitra 15 andro ny fametrahana ny taratasy filatsahan-ko fidiana sy fandoavana ny vola fandraisana anjara amin’io fifidianana io. Hiatomboka ny 6 ny volana May indray kosa ny fampielezan-kevitra, ary hifarana ny 25 ny volana May. Arak’ity sosokevitry ny CENI ity ihany, vinavinaina hivoaka amin’ny faha 17 ny volana Jona ny voka-pifidianana vonjy maika.
Ny fanapahan-kevitra avy amin’ny alalan’ny didim-panjakana mandritra ny filankevitry ny governemanta no manaiky na tsia ity volavolan-kevitra avy amin’ny vaomieram-pirenena mikarakara ny fifidianana ity.
Sahy SYLVAIN