Mafana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Ifandritahan’ireo mpilatsa-kofidiana indray ny hanatanterahana na tsia ny fifidianana eto Madagasikara.
Fitakiana miharo tahotra manoloana ny kandidà izay heverina ho manana herijika betsaka amin’ny fifidianana.
Ny fiainam-pirenena sy ny fiainan’ny vahoaka Malagasy iray manontolo mihitsy amin’izao fotoana izao no lalaovin’ireo kandidà miisa 25 tsy be mpanohana. Kandidà tsy manana fahavononana hiatrika ny fifidianana akory fa mikasa ny hamboly korontana vaovao amin’izao herinandro vitsy tsy ahatongavan’ny datim-pifidianana izao.
Efa latsaka an-katerena tanteraka ny fiainam-bahoaka maro an’isa, ka tsy misy afa-tsy ny fifidianana irery ihany anefa no vahaolana amin’izay ahafahan’ireo olom-pirenena mifidy izay olona heverina fa afaka hanavotra ny fireneny.
Taorian’ilay fihaonana teny amin’ny foiben-toeran’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Céni) izay nandraisan’ireo kandidà anjara sy ireo mpisehatra amin’ny fifidianana dia nanao tohy vakana ny fanehoan-kevitra niainga avy amin’ireo olon-tsotra, mpanao politika sy mpahay lalàna. Ity farany izay nanamafy fa tsy mitombina ary tsy azo ekena velively ny fangatahan’ireo kandidà miisa 25 ireto. Fangatahana mirona mankany amin’ny hisiana tetezamita vaovao eto amin’ny firenena indray satria ny ankamaroan’ireo votoatin-kevitra takian’ ireo kandidà maromaro ireo dia saika miandry amam-bolana maro sy aman-taona mihitsy, araka ny fanazavana nomeny. Anisan’izany, ohatra, ny fanatsarana ilay lisi-pifidianana takian’izy ireo izay maharitra hatrany amin’ny telo volana raha haingana ary ny mihoatra tsy ferana.
Kandidà tsy niomana
Manitsaka ny herinandro fahatelo amin’ny fiatrehana ny fampielezan-kevitra ireo kandidà ho filoham-pirenena amin’ izao fotoana izao. Azo itarafana sahady ny fahamatoran’izy ireo sy ny fahavononana ananany ho amin’izay fitantanana ny firenena izay ny hetsika ataon’ ireo kandidà tsirairay avy ao anatin’izao fampielezan-kevitra izao. Ho an’ny kandidà Andry Rajoelina laharana faha-13 dia miharihary ary tsy takona afenina ny fiomanana efa nataony tao anatin’ ny taona maro mialoha ny nanapahany hevitra hirotsa-kofidiana. Izy izay efa nahavita nitety Faritra sy Distrika maro tato anatin’ny roa herinandro.
Tsy miafina ao ambadiky ny saron-tava anaovan’ireo kandidà mikasa ny hanakorontana fifidianana kosa ny tsy fahavono-nany hany ka miady mafy manao izay hanemorana ny fifidianana. Nambaran’ireo olon-tsotra nanaovana fanadihadiana fa tsy nisy noterena akory ireo kandidà ireo ny hilatsa-kofidiana ka rehefa tena raikitra amin’izay ny fifidianana vao matahotra. Tsy azo ihodivirana ny fahatahoran’izy ireo ny kandidà iray izay voasokajy ho henjana ao amin’ny fifidianana.
Ny Fanoratana