KABARIN’ANDRIAMATOA FILOHAN’NY REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA – LANONAM-PITSARANA MANETRIKETRIKA HO FIANIANANA,
MAHAMASINA- SABOTSY 19 JANOARY 2019
Ianareo filoham-pirenena vahiny namana tonga manatrika etoana, sy ianareo delegasiona miaraka aminy avy,
Ianareo solotena manokan’ireo filoham-pirenena vahiny,
Ianareo lehiben’ny andrim-panjakana malagasy,
Andriamatoa filohan’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana sy ianareo mpanolotsaina avo,
Ianareo tompon’andraikitra, olomanan-kaja sivily sy miaramila,
Ianareo masoivohom-pirenena vahiny miasa sy monina eto Madagasikara,
Ry vahoaka Malagasy namako, Tompokolahy sy tompokovavy,
Androany 19 janoary 2019, andro manamarika manokana ny fiainako, fa indrindra manamarika ny tantaran’i Madagasikara. Fotoana ifanaovantsika amin’ny tantara izao androany izao, ary ianareo rehetra manatrika etoana, dia vavolombelona amin’izany tantara izany, Koa arahaba feno fitiavana no atolotro ho an’ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka manerana ny Nosy. Ianareo rehetra manaraka mivantana sy mampiantrano izao lanonana manan-tantara izao amin’ny fahitalavitra sy onjampeo. Any ianareo any avaratra, ianareo any atsimo, ny any andrefana, ny any atsinanana, ary ny eto afovoan-tany. Ao koa ianareo raiamandreny isan-tsokajiny, ary eto dia mahatsiaro manokana ireo filoham-panjakana rehetra nifandimby hatramin’ny niverenan’ny fahaleovan-tena. Singaniko manokana ireo manatrika etoana, Atoa Didier Ratsiraka, Atoa Marc Ravalomanana, Atoa Hery Rajaonarimampianina, ary eto ihany koa Ramatoa vady navelan’itompokolahy profesora Zafy Albert. Ny arahaba atolotro dia toy ny tana-masoandro miposaka vao maraina, ka miditra isam-baravarana, mandona ny hambom-po, manaitra ny fitiavan-tanindrazana, mitondra fahasoavana ary miantefa isaky ny tokantrano manerana ny Nosy. Koa arahaba tompokolahy, arahaba tompokovavy. Eto amin’ity kianjabe ity no hametrahana amin’ny fomba manetriketrika ny mpitondra ny firenena malagasy, efa hatramin’ny faha-Mpanjaka ary mbola nitohy taty amin’ireo filoham-pirenena nifandimby. Teto amin’ity kianjaben’i Mahamasina ity izany no nanamasinana izany. Izay no nahatonga an’i Mahamasina ho maha-masina. Eto ihany koa no hatao ny fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny fanatanjahan-tena. Ary efa nahazoantsika fandresena lehibe ka nahatonga an’i Madagasikara ho tompon-dakan’i Afrika tamin’ny taranja baolina lavalava na rugby tamin’ny taona 2012. Ka ny fandresena azo teto dia fandresen’ny malagasy. Koa manomboka eto dia ho mpandresy hatrany ny malagasy, fa tsy ho resy lava intsony. Ho mpandresy ara-toekarena, ho mpandresy ara-tsosialy, ho mapndresy ara-kolotsaina, ary ho mpandresy amin’ny lafiny rehetra mihitsy, tompokolahy sy tompokovavy. Ary izany no hataoko vaindohan-draharaha. Ka raha nisafidy ahy ho filoham-pirenena ny vahoaka malagasy, dia tsy nifidy mpitarika fotsiny, fa nisafidy vina fampandrosoana, fandaharan’asa, tetikasa, nisafidy drafitra maty paika hitondra any amin’ny fivoarana haingana, izay iraisana sy mampitambatra ny malagasy rehetra.
Misantatra taona vaovao isika, fa indrindra pejy vaovao no misokatra ho an’ny tantaran’i Madagasikara. Ary izaho sy ianao, isika rehetra no hiaraka hanoratra izany tantara izany ho an’ny taranaka fara-mandimby. Tompokolahy sy tompokovavy, Amin’izao fotoana andraisako ny andraikitra maha- filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara izao, dia tsapako loatra ny havesatry ny adidy mipetraka amiko. Henoko ny hikiakanao, reko ny hirifirinao, tsapako, fantatro loatra ny hamafisin’ny onjam-piainana zakainao nandritra ny ampolon-taonany maro ry Malagasy. Haiko loatra fa miandrandra fiainam-baovao ianao. Efa nanolo-tena ho an’ny firenena aho, ary mbola hamafisiko aminao eto androany, fa hiasa haingana aho ary hanao izay tratry ny aiko sy ny heriko manontolo mba hampandrosoana ny firenentsika, sy hanatsarana ny fari-piainan’ny fianakaviana Malagasy rehetra. Mijoro eto anoloanao aho, tiako ho tsapanao fa ny fitiavan-tanindrazana no mikoriana ato anatiko, ary ny antom-pisiako dia ny hiasa ho fanompoana ny firenena sy ny mpiray tanindrazana amiko. Efa nanao velirano aho fa hanatanteraka ireo vina ho fampandrosoana ny firenena, tsy avelako ho raraka an-tany ny fahatokisana nomenao ahy. Ny angatahako aminao ry Malagasy namako dia manana finoana, mitsangana, andao isika hifanome tanana ary hiaraka hanova. Na inona na inona finoantsika mantsy, na kristiana, na silamo, na finoana hafa, dia mila mino isika fa ho avotra i Madagasikara. Raha tsy misy manko ny finoana, dia ho zava-poana ka tsy ho afaka handroso mihitsy isika. Ary izay indrindra ny maha-lehibe ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana. Fa ny fitiavana no lehibe indrindra.
Koa fisaorana mitafotafo sy fankasitrahana eram-po eran-tsaina no atolotro anao ry vahoaka Malagasy, fa indrindra ianao izay nanome fitokisana ahy, fitokisana feno fanantenana izay mbola manamafy hatrany ny fahavonona efa ato anatiko hiarovako ny tombontsoan’ny Malagasy tsy vaky volo. Manome toky anao aho fa hiaro ny tombontsoan’ny firenena araky ny filamatry ny Repoblika izay nosafidiako sy nosafidianao ry Malagasy dia ny hoe « Fitiavana, Tanindrazana, Fandrosoana ». Satria ny fitiavan-tanindrazana no mitondra fandrosoana. Raha tsy manam-pitiavana mantsy ianao, raha tsy manam-pitiavana isika dia tsy handroso mihitsy i Madagasikara. Ny vahoaka malagasy dia vahoaka be herimpo, efa nanaporofo fa tia tanindrazana, efa nasehon’ny Malagasy teo amin’ny tantara fa sahy nijoro izy, nanao vy very ny ainy ho fiarovana ny tany nomen-janahary ho azy. Ka ho avadikitsika ho fanamby izay herimpo izay, hasehontsika ny fahavononantsika hiaraka hiroso, ary tonga izao ny fotoana hanovantsika ny tantara. Efa tafiditra ho modelin’ny demokrasia i Madagasikara ankehitriny. Teo amin’ny tantarantsika dia fanindroany izao no nisy famindram-pahefana ara-pomba demokratika. Ilaina izany fifandimbiasam-pahefana izany mba hisian’ny fampandrosoana izay nandrandrain’ny vahoaka malagasy hatrizay satria zava-dehibe ny filaminana sy ny fitoniana. Tompokolahy sy tompokovavy, Tsy ho afaka handroso anefa isika raha tsy mamokatra sy manodina eto an-toerana ihany ny zavatra rehetra ilaintsika. Noho izany dia tsy maintsy manangana orinasa vaventy isaky ny renivohim-paritany isika, eny fa hatrany amin’ny faritra aza, mba hiteraka sy hamorona asa ho an’ny tanora tsy an’asa. Ka tsy hionona amin’ny fanafarana intsony fa hiroso ho any amin’ny fanondranana amin’izay i Madagasikara. Ho apetratsika ny fifaninanana masina sy ny fisokafana eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana. Tsy hisy intsony koa ny fifehezan’olom-bitsy ny toekarena. Tsy misy orinasa hitsangana mihitsy anefa eto raha tsy ho voafehy ny famokarana herinaratra. Ao anatin’ity fe-potoana iasana 5 taona ity dia ho ampiakarintsika avo roa heny ny famokarana ny herinaratra manerana ny Nosy. Ary amin’ny vidiny ara-drariny zakan’ny Malagasy. Ny fitaovana hampiasain’ny orinasa JIRAMA mantsy dia efa tranainy sy nilaozan’ny toetrandro avokoa ny ankamaroany, ka izay indrindra no tsy maintsy hitondrana vahaolana maharitra. Hitako ihany koa fa maro dia maro ireo tokantrano miaina ao anatin’ny haizina ka tsy mba mahazo izany hazavana izany. Izay indrindra no tsy maintsy hananganana orinasa mpamokatra panneau solaire na takelaka mamokatra herinaratra azo avy amin’ny masoandro ahazoan’ireo Malagasy rehetra any ambanivohitra any jiro mitsitsy. (ka ho tonga amintsika isan-tokantrano ny hazavana tompokolahy sy tompokovavy !) Ny tena ilain’ny Malagasy indrindra anefa dia ny politikan’ny kibo. Noho izany dia mila mahavita tena ara-tsakafo isika, ka ao anatin’ny 5 taona dia hampitombontsika ny velaran-tany ho volena ary indrindra ny fanampiana ireo tantsaha mpamokatra vary mba ho tonga amin’ny tena fahavitan-tena ara-tsakafo i Madagasikara, ka tsy hanafatra vary intsony fa hanondrana amin’izay. Mandra-piandry izany anefa dia hitsinjo sy hanampy ireo tena marefo ny fanjakana ka efa eny ambony sambo any andranomasina amin’izao fotoana izao ny vary ho amidy amin’ny vidiny mirary. Asa manko ny antsika fa tsy kabary tompokolahy sy tompokovavy. Hanangana sy hanorina tanana vaovao isika, dia ilay TANAmasoandro izay ho modely aty amin’ny ranomasimbe indiana.
Haorintsika eny ireo biraom-panjakana foibe isan-tsokajiny, ny akademia nasionalin’ny fanatanjahan-tena avo lenta, ary hisy toeram-pialamboly, tsenan’ny asa-tanana manara-penitra, toeram-pivarotana moderna, sy ny sisa maro, izay ho taratry ny fandrosoan’i Madagasikara. Ry malagasy namako, Hampiray sy hampitambatra ny Malagasy aho, ka tsy ny eto Antananarivo ihany no hisitraka ny fiovana goavana hoentintsika, fa apetratsika koa ny fanamby fa tsy maintsy hahazo ny tandrify azy avy amin’ny asa fampandrosoana ny faritra rehetra manerana ny Nosy, koa fampandrosoana mitovy sy mirindra ny faritra rehetra eto Madagasikara no hapetrako. Koa mba hanatanterahantsika an’izany dia apetratsika sy omentsika lanja ny Governoran’ny faritra, hasolo ny lehiben’ny faritra, izay iandraikitra mivantana ny tetikasam-pampandrosoana hotanterahina isam-paritra. Izy ireo no hitarika ny fanatanterahana ireo asa goavana nampanantenaiko : fanamboarana ny lalana, ny sekoly, ny kianja manara-penitra sy ireo fotodrafitrasa isan-karazany. Koa homentsika fitaovana lehibe fanamboaran-dalana ny faritra tsirairay avy. Hisy ny fivoriana ho ataoko isam-bolana miaraka amin’ireo governoran’ny faritra ireo. Ny fahafahan’ny faritra 22, izay ho lasa 23 misitraka ny fampandrosoana mendrika no tena fampihavanam-pirenena marina, mba ho tanteraka amin’izay ilay fitsinjaram-pahefana tena izy. Izany fampandrosoana izany koa dia mitaky fanavaozana ny fitantanana any amin’ny sampan-draharaham-panjakana rehetra. Manomboka eto dia mila miova famindra ny mpitantana ny raharaham-panjakana rehetra tsy ankanavaka, ka ny fanafainganana ny asa rehetra eny anivon’ny biraom-panjakana dia fanovana andrasan’ny vahoaka malagasy. Mba tena hiasa ho an’ny vahoaka ny mpiasam-panjakana, ary ho apetraka ny sampana manokana eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika handray ny fitarainan’ny vahoaka. Ka ny fitarainana rehetra voaray dia tsy avela ho very anjavony fa tsy maintsy horaisina sy hanaovana fanadihadiana. Tsy azo ekena mihitsy ny fanararaotana ny fahefana eo ampelatanana ho entina hakana tombontsoa manokana. Tsy ekeko ny gaboraraka, ny fandanindaniam-poana ny volam-panjakana, tsy azo leferina ny fanaovana tolotrasa tsy misy asa notanterahana akory, tsy azo leferina ny fanodikodinam-bolam-panjakana, ka ho henjana ny sazy hihatra ho an’izay tratra manao an’izany. Tsy hisy olona ambonin’ny lalàna na iza izy na iza. Ho haverintsika ny hasin’ny tany tena tan-dalàna. Ho ataoko laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly. Takiako ny hisian’ny fitsarana marina sy tsy mitanila, hatokisan’ny vahoaka ary tsy ekeko ny fitsabatsabahana amin’ny raharaham-pitsarana. Tena mampikaikaika ny vahoaka ny tsy fandriam-pahalemana, ho hampiharina ny vahaolana mahomby amin’izany koa ho ampitomboana ny isan’ny mpitandro filaminana manerana ny Nosy. Ho apetratsika amin’ny toerana maha-izy azy ny foloalindahy malagasy. Vatsiana fitaovana mendrika sy manaraka ny toetrandro izy ireo, mba ho reharehan’ny fiandrianan-tsika izany foloalindahy sy mpitandro filaminana malagasy izany. Ary ho hitantsika sahady eto androany ny santionany amin’ireo fiara manara-penitra, tsy laitran’ny bala sy tsy mataho-dalana, afaka mihanika tendrombohitra, hoentina hiadiana amin’ny asan-dahalo sy hamerenana ny fandriam-pahalemana. Efa nilaza taminareo aho fa ao anatin’ny velirano hifanaovantsika ary ho ataoko laharam-pahamehana ny hiverenan’ny fandriampahalemana, tsy niandry amam-bolana aho, na niandry aman-taona, fa efa ireo ny ampahan’ny fitaovana tompokolahy sy tompokovavy.
Mitaky fitondran-tena mendrika kosa anefa izany ka ho henjana ny sazy raha sanatria mbola misy mpitandro filaminana manararao-pahefana, manao herisetra sy mampijaly ny mpiray tanindrazana na miaro sy miray tsikombakomba amin’ireo olon-dratsy. Ry malagasy namako, Ho haverintsika ny hasin’ny filohan’ny Repoblika mba ho modely. Ho filohan’ny Repoblika mendrika ny vahoaka Malagasy aho, hijoro ho raiamandrenin’ny olom-pirenena rehetra tsy ankanavaka, na avy aiza fiaviany na inona finoany sy firehan-keviny, hihaino ny feon’ny vahoaka ary ho akaiky ny vahoaka mandrakariva ka ny fanapahan-kevitra rehetra ho raisiko dia hifototra amin’ny fikatsahana hatrany ny tombontsoan’ny besinimaro sy ny tombontsoa iombonana. Ry vahoaka malagasy, Tonga eto amin’ny kihon-dalan’ny tantaram-pirenentsika isika, fotoana izao hanovana tanteraka ny fomba fijery sy ny fomba fanaovana politika, hifanome tanana isika hiara- hiroso, satria andraikitry ny rehetra ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Ny fankahalana, ny fifanaratsiana, ny fampisaraham-bazana : aleo ataontsika any aoriantsika. Fantatro fa tsy ho mora ny lalana hodiavintsika, kanefa tsy maintsy ho tafita isika. Hapetratsika ny fanamby, ary ho tratrantsika ny tanjona. Amin’ny taona ho avy 2020 dia hankalaza ny faha- 60 taonan’ny niverenan’ny fahaleovan-tena isika. Vaninandro lehibe loatra amin’ny tantaram-pirenena ihany koa io fotoana io ka ho hankalazaintsika amin’ny fomba manetriketrika sy miavaka, ary minoa ahy ianareo fa ho betsaka ny zavatra efa hiova amin’izany fotoana izany ary hiredareda indray ao ampon’ny Malagasy tsirairay avy ny tena fitiavan-tanindrazana marina.
Haverintsika ny hasina maha-malagasy, ho asandrantsika ny soatoavina malagasy, homentsika ny hasiny ireo raiamandreny sy olobe isam-paritra, homentsika lanja ny kolontsaina mampiavaka ny faritra samihafa manerana ny Nosy. Nofinofiko ny mba handrosoan’ity firenena malalantsika ity amin’izay, ka izay no nahatonga ahy nametraka vina. Vina azo tsapain-tanana sy tanterahina. Tsy izaho irery anefa fa Malagasy maro an’isa no mizara izany nofinofy izany, dia ny mba ahitan’ny Malagasy ny anjara masoandro nandrasana hatrizay. Tanteraka izany ankehitriny, ka tsy ajanontsika ho nofy, fa ataontsika velirano avadika ho asa hitondra vokatra hanova ny firenena. Resy lahatra aho fa tonga ny fotoana hanavotantsika ny tanindrazana, tsy maintsy tafita i Madagasikara. Misaotra tompokolahy, mankasitraka tompokovavy, Masina ny tanindrazana.
|
|
|
|||
|
|
|
|
||