Azo lazaina fa nizotra am-pilaminana ny fiatrehan’ny vahoaka malagasy ny fifidianana fihodinana faharoa tamin’ity anio 19 desambra ity.
Efa vonona niatrika iny fifidianana androany iny tokoa ny rehetra, na ny eo anivon’ny CENI izany, na koa ireo tomponandraikitra rehetra eny amin’ny biraom-pifidianana, ary indrindra ireo kandidà mpifanandrina sy ny vahoaka malagasy iray manontolo.

Kihon-dàlana tsy maintsy lalovana manko ny fifidianana, teboka lehibe tsy azo idovirana hanovana ny tantaram-piainan’i Madagasikara. Iny fifidianana fihodinana faharoa iny tokoa mantsy no hoentina mifidy izay ho Filoha vaovao hitondra ny firenena indray, mba hitondra fanantenana vaovao indray sy hanavao ny fiainan’ny vahoaka tsy an-kanavaka.

Manoloana izany anefa, maro tsy tambo isaina ihany koa ireo olana sy tsy fahatomombanana maro samihafa tamin’ny fanatanterahana ny fifidianana androany. Tao ny tsy fahafahan’ny olona nifidy, ny resaka kara-pifidianana hosoka niparitaka, ny biletà tokana tsy hita popoka sy ny maro samihafa. Na ny eto andrenivohitra na ny any amin’ireo faritra eto Madagasikara, saika nahitana tsy fetezana avokoa.


Raha ny teny amin’ny faritra Atsimondrano izao, misy mividy ny safidin’ny vahoaka. Toy ny tao Andoharanofotsy sy Anosibe, nisy afaka nifidy indroa na mihoatra ny mpifidy. Izany hoe afaka ny miverimberina mifidy izay tohanany ny olom-pirenena iray, kanefa dia tsy azo ekena velively izany tranga izany.


Teo ihany koa ilay raharaha biletà tokana teny Ambohipo izay tena niparitaka tao amin’ny tambazotran-tserasera ka zary lasa nametra-panontaniana ny maro. Tsy hita popoka ireo biletà tokana miisa 8 tokony hoan’ny birao-pifidianana laharana faha 14 tao Ambohipo, ka tsy afaka nifidy noho izany ireo olom-pirenena izay voasoratra anarana tao amin’io biraom-pifidianana io raha tsy tonga teny an-toerana indray ny biletà tokàna hafa nafahan’izy ireo nifidy.


Tany amin’ny faritra kosa, toy ny tao Mahajanga, nisy ny tsy fahatomombana teo amin’ny lisim-pifidianana. Nisy nifandiso sy nifamadika ny boky, izany hoe ny anaran’ny mpifidy tao amin’ny lisim-pifidianana roa. Biraom-pifidianana miisa 5 amin’ireo 170 misy ao Mahajanga no niharan’izany olana izany, tao amin’ny fokontany Antanimalandy indrindra indrindra.


Ohatra ihany ireo voalaza ireo, fa betsaka ny toerana manerana an’i Madagasikara no nandàlo fahasahiranana nandritran’ity fifidianana fihodinana faharoa ity. Ankoatra ireo feo miely etsy sy eroa momban’ny hala-bato sy fanakorotanana nafitsok’ireo iraky ny kandidà sasany.


Na izany aza anefa, tandravadikoditra eo amin’ny fifidianana eto Madagasikara ireny olana madinidinika samihafa ireny. Hita eo ihany izay hambaran’ny Vaomieram-pirenena manokana ho an’ny fidianana sy ny didy ho avoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana.


Felaniaina Tiavina