Nodisoin’i Hajo ANDRIANAINARIVELO nandritra ny fandaharana Miara-manonja avokoa ny filazan’ny kandidà Marc Ravalomanana alina tao amin’ny fahitalavi-pirenena fa nanampy tamin’ny fananganana ny lapan’ny tanàna ny tenany tamin'ny fotoana naha filoham-pirenena azy, ary hametraka fitsinjaram-pahefana tena izy raha tany ka lany eo. Vaky bantsilana arak’izany fa tsy marina avokoa ireny fanehoan-keviny ireny.


"Tsy nisy fanampian’i Marc Ravalomanana mihintsy tamin’ny fanamboarana ny lapan’ny tanàna ny taona 2009", hoy ny filohan’ny antoko Malagasy Miara-Mianga na MMM sady minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Fitsinjaram-pahefana tamin’ny tetezamita Hajo ANDRIANAINARIVELO. Omaly anefa, tsy tahotra tsy henatra ny kandidà Marc Ravalomanana nilaza fa nanampy ara-bola tamin’io asa fanamboarana ny lapan’ny tanàna io izy, hoy ihany ny filohan’ny MMM. Nitondra fanazavana mikasika izany ny tenany tao amin’ny fandaharan'ny onjam-peo Miara-manonja androany 10 desambra izao.


Resabe fotsiny ihany koa ny nambaran’i Marc Ravalomanana omaly alina tao amin’ny Tvm fa hametraka ny fitsinjaram-pahefa tena izy ny tenany, hoy hatrany ny filohan’ny MMM.
"Tsy fotoana hamitahana ny vahoaka malagasy intsony izao, hoy hatrany Hajo ANDRIANAINARIVELO. Ampy izay hoy izy ny fanabadoana ny Malagasy ary efa miandrandra filoha vonona hanarina ny firenena ny vahoaka".


Jean-Claude A.