Nitondra ny tatitra tamin’ny fanaraha-maso ny fifidianana filoham-pirenena natao ny 7 novambra teo ny fiarahamonim-pirenena telo tonta izay misehatra amin’izany, dia ny KMF/CNOE, ny Liberty 32 ary ny Justice et Paix androany tetsy Antaninarenina.

Ankoatran’ireo tsy fahatomombanana marobe izay efa niaraha-nahita tamin’iny fifidianana iny toy ny tsy fahatomombanan’ny lisitry ny mpifidy sy ny tsy fahatongavan’ny kara-pifidianana, ireo fifanaratsiana zavon-tany amin’ny tambazotran-tserasera ary ny fanitsakitsahana ny demokrasia nandritra ny fampielezan-kevitra, dia nitondra fanamarihana roa lehibe ireto fiarahamonim-pirenena ireto dia ny tsy fahampian’ny mangaraharaha teo amin’ny fomba fiasan’ny CENI, ary ny tsy fitovian’ny voka-pifidianana tamin’ny famoahana ny vokatra tsy ofisialy izay navoakan’ny CENI tamin’ny asabotsy 17 novambra lasa teo.
Mangataka fanazavàna momba izany ireto fikambanana ao amin’ny fiarahamonim-pirenena telo tonta ireto, nandritra io tatitra nataon’izy ireo androany io, ankoatran’ireo tolokevitra ho fanatsaràna ny fifidianana amin’ny hoavy izay naroson’izy ireo.