8 volana izay no nandraisan'ny filoha Andry RAJOELINA ny fitantanana ny firenena. Niova ny fijerin’izao tontolo izao an’I Madagasikara. Tsy ilay firenena mahantra, miaina ny maizina mandava-taona. Nihazakazaka ny asa mivaingana efa vita miantefa mivantana amin'ny fiainam-bahoaka.

Nanakoako nanerantany ny lazan'i Madagasikara nandritra izay 8 volana izay. Hitan'izao tontolo izao ny ezaka nataontsika izay notarihin'ny filohan'ny Repoblika Andry RAJOELINA. Noporofoin'ny malagasy fa rehefa mifanome tanana, miray hina, ao anatin'ny fihavanana sy ny fahaizana mihaino ny hafa isika dia tontosa ary tsy mitsanga-menantra i Madagasikara amin'ny zava-bitany izay tsy noeritreretina akory hoe ho vita. Rehefa nandalo tany Toamasina ny filoha Andry RAJOELINA taorian'ny nandraisany ny fitantanana ny firenena. Nangataka ny hanamboarana EPP ny mponina tao Analakininina Toamasina, teo no ho eo ihany dia nanaiky ny filoha ary 40 andro monja dia vita ny asa fanamboarana rehetra. Nanohana ny ekipam-pirenena Barea tamin'ny CAN 2019 teo iny ny fitondram-panjakana ary nanao ny fomba rehetra nanohanana azy ireo ka nampitolagaga izao tontolo izao ny zava-bitan'ireo maherifontsika ireo. Torak'izany ihany koa ny lalaon'ny nosy tatsy Maurice sy ny lalao Afrikana natao tany Rabbat Maroc farany teo iny. Fahombiazana ny fanamarihana ny fankalazana ny fetim-pirenena ny 26 jona, na dia teo aza ny rahona mainty tamin'ny loza nitranga tetsy Mahamasina izay nandraisan'ny fitondram-panjakana fepetra ny fikarakarana ireo naratra sy ireo namoy ny ainy. Betsaka ireo fitaovana nomena ny mpitandro ny filaminana entin'izy ireo hiaro ny vahoaka sy ny fananany ary ity tanindrazana iombonana ity. Efa betsaka ireo faritra mena tamin'ny asan-dahalo sy ny fakàna an-keriny no nahazo ireo fitaovana ireo ary nohamafisina ny fitandroana ny filaminana nanerana ny nosy. Ankehitriny, efa azo lazaina fa nahomby ny fampandriana fahalemana eto Madagasikara na dia tsy mbola foana tanteraka aza izany. Nomen-danja manokana ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka amin'izao fitondrana izao. Efa mizotra ny fanamboaran-dalana, tafiditra ao anatin'izany ny lalana eto andrenivohitra, ireo lalam-pirenena. Nomena tosika ireo tantsaha. Torak'izany ihany koa ny tanora ao amin'ilay tetik'asa Fihariana. Fantatra ihany koa izao fa hisy ny fanorenana EPP miisa 30, CEG 8 ary Lycéé 6 amin'ity taona ity. Hisy ihany koa ny fanorenana Fitsarana sy Fonja vaovao.  Fa anisan'ireo fotoana nanan-danja ary mipetraka ho tantra ho an'i Madagasikara ny nandraisantsika ireo vahiny manan-kaja toa ny filohan'i Rwanda Paul KAGAME, teo ihany koa ny nandraisantsika ny filohampanjakan'i Vatican, ny Papa Ray Masina François. Nanakoakoa nanerana izao tontolo izao ny fahaizantsika mandray vahiny ary nahomby ny fikarakarana rehetra natao tamin'izany. Ireo mpahay toe-karena sy ny fifandraisana iraisampirenena aza vaky vava mihitsy fa hahazo fahatokisana amin'ireo firenena manerantany i Madagasikara manomboka izao satria matoa nitsidika antsika ireny olona ambony ireny dia firenena azo antoka ary vonona ny handroso isika.  Midika izany araka ny fanazavana fa efa misokatra midanadana ny fampandrosoana ho antsika fa miankina amin'ny fanovana toe-tsaina sy fitiavan-tanindrazana avy amin'ny isam-batan'olona sisa no andrasana. Ny fampandrosoana, mpitarika voalohany ny mpitondra ary isika vahoaka kosa no mifanolo-tanana amin'ny fanatanterahana izany. Araka ny hafatr'i Papa Fransoa teo ireny, azontsika atao tsara ny mandroso miaraka raha miova ny toe-tsaina tia kely, tia kolikoly, ary tsy mifanilika fa miray hina ao anatin'ny fihavanana sy miara-mitsinjo ny fampandrosoana iombonana ho an'i Madagasikara.

 

Jean Claude ANDRIAMALALA