Didy jadona, fakana tanin’olona na orinasa an-keriny na an-kolaka, halatra bevava sy hala-botry, fampahantrana, fanararaotam-pahefana, kolikoly, varotra tanindrazana, izay no niainan’ny Malagasy nandritra ny fe-potoana nisian’i Ravalomanana teo amin’ny fitondrana. Natao tsinontsinona ny Malagasy, tsy nitsahatra nikatsaka ny tombotsoa ho azy ilay nolaizana fa filoham-pirenena. Mpandainga, ary indrindra, mpamono ny Malagasy mitovy ra aminy . Nofoanany tanteraka ny fahafahana maneho hevitra, nitsahiny ny lalàna velona, ary amin’izao fotoana, mikendry ny hamerina izany fitondrana izany ny tenany sy ny mpanaradia azy, ary efa hita sahady fa ho ataony hamboletra ny fampidirana azy eo amin’ilay heveriny ho seza fiandrianana.
330 miliara Ariary no trosa tsy voaloan’I Marc Ravalomanana teo anelanelan’ny taona 1996 sy 2001 tamin’ny hetran’ny orinasa Tiko. Tsy nisy nohefainy ireo vola tokony hiditra amin’ny kitapombolam-panjakana izay azo lazaina fa petrabola tena mipaka amin’ny fiainana ankapoben’ny vahoaka. Niakatra teo amin’ny fitondrana izy ny taona 2002, mbola nitohy tamin’ny fanararaotam-pahefana ny fitsanganan’ny orinasa Tiko. Lasa toy ny orinasam-panjakana ny Tiko sy Magro sy ny maro hafa, tsy nisy hetra na haba naloan’ireo orinasa ireo mihitsy nandritra ny taona nijoroany. Rariny, raha tao anatin’ny fotoana fohy I Marc Ravalomanana dia efa nieboebo ho isan’ireo mpanakarena indrindra teto Madagasikara.
Ny ivon-toeran’ny Tiko tao Antsirabe ary moa niorina tamin’ny tany nobodoiny tamin’ny orinasa mpiompy io vorombe io tany an-toerana, dia ny Madagascar Autruches izany. Tsy namelan’i Marc Ravalomanana ihany koa raha tsy teo an-tongony ireo orinasa maro nivelona teto Madagasikara, tao anatin’izany ny Somacodis sy ny hotely Hilton tamin’zany. Nivelatra tanteraka ny orinasan-dRavalomanana, nanjary nahatsangana haino aman-jery sy karazana orinasa zandriny teo ambanin’ny fifehezan’ny Tiko. Nogejainy tanteraka ny fampiroboroboana ny toe-karena, ary nilatsaka ambany ny fahefa-mividin’ ny Malagasy, fery izay mbola hita hatramin’izao fotoana izao. Nampanatena ny vahoaka i Marc Ravalomanana, “ho tsonjovina ny Malagasy”, “Homena asa ny Malagasy”, “Hampiana ny Malagasy” saingy, ninia nikipy tamin’ny olan’ny Malagasy ny tenany, nilaza ho vahaolana ihany koa izy, anefa, petrak’olana hatramin’izao fotoana izao ny nanjavonan’ny vola be mikararana nolazaina fa nanamboarany lalàna sy fotodrafitr’asa maro nanerana ny nosy.
Fanamboarana efa tamin’ny fitondran’ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka no novantaniny, ireny ihany no notohizany, ary tsy nisy na kely nivaingana tamin’ny vola nosintomina tamin’ny fananam-panjakana. Izay rehetra nikasa ny hamafy ny marina sy nijoro ho an’ny Malagasy tamin’izany dia nogadraina avokoa, notapenam-bava tanteraka, na ireo loholona aza. Ny antenimiera roa tonta nofenoiny ny mpanaradia azy, izay napetrany tamin’ny fomba tsy manaraka ny lalam-panorenana. Ny asa fanaovan-gazety, nanjary tsy afa-nitatitra, natahotra ny didy jadona niainana tamin’izany fotoana, izay minia manenjika an’i Marc Ravalomanana dia nakatona ny orinasa sy nogadraina. Isan’ny efa nakatona tamin’izany ny haino aman-jery Viva. Mpanao gazety maro no nahazo fandrahonana.
Didy miantefa amin’ny fiainana miafin’ny olona iray mihintsy no setrin’ny fanehona hevitra nandritra ny fitondran’I Marc Ravalomanana. Tsy azo kitihina ny filoha, ary teny famoakany matetika mihintsy ny mamingavinga ireo antoko mpanohitra teo amin’ny fitantanany toy ny tamin’ny taona 2009, “Tsapao aloha ny herinao, vao mifanandrina amiko” hoy izy teo anoloan’ny Malagasy rehetra. Porofo nitohoka an-tenda fa didy jadona no niainana nandritra ny fitondran’I Ravalomanana. Noheveriny toy ny seza fiandrianana ny biraony tao Iavoloha, ny mpifidy no nanompo azy. Hita taratra tao amin’ny fitantanana ny fiangonana teto Madagasikara ihany koa ny fitondrana jadona tamin’ny fe-potoana niasan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
Ny fivarotana tanindrazana tetsy andaniny nigagana, manginy fotsiny ny raharaha tany 1.3 tapitr’isa hektara ho an’ireo mpandraharaha koreana atsimo. Ny Malagasy niaina tao anatin’ny fahantrana mamirifiry, ny filoha nitantana nikasa hividy fiaramanidina Air force One faharoa amin’ny vidiny 60 tapitrisa dôlara, rehefa avy nividy ny Air Force One voalohany tamin’ny vidiny 10 tapitrisa dôlara. Soa fa nisy ny fitsanganan’ny ben’ny tanan’ny renivohitra tamin’ny taona 2009, nahafahana nitatitra ireo aizina rehetra niainana nandritra ny fitondran’ny Ravalomanana sy nanavotra ny Malagasy tamin’ny alalan’ny tolon’ny fahafahana.
Saingy, noho ny fitiavan-tseza, niziriziry tamin’ny fahefany i Marc Ravalomanana, ary niafara tamin’ny famonoan’ireo miaramila mpiambina azy sy ny lapany ny mpitolona 47 ary ny fampitondra takaitra olona an-jatony izany ny 7 febroary 2009. Fitiavana fahefana diso tafahoatra ary azo lazaina fa valifatiny tamin’ny nanapotehin’ny vahoaka maro sy nandroban’izy ireo ny fananany no namonoana ireo Malagasy ireo. Tsy mpandrava I Marc Ravalomanana araka ny nambarany fotoana fohy izay nandritra ny kabariny, tsara haverina ao an-tsainy ny maro fa ny 27-n’ny volana janoary 2009, i Marc Ravalomanana izy tenany mihintsy no nanambara fa nanome baiko ny miaramila tsy hanao na inona na inona nandritra ny fandotoana ny tolona nataon’ireo mpikarama an’ady ny andron’ny 26 volana janoary 2009 nahamay ny RNM sy TVM, MBS, sy orinasa hafa.
Tompon’andraikitra feno tamin’ny fanimbana ny fananam-panjakana i Marc Ravalomanana, ny tantara no nitsara azy, saingy, mbola minia manely vaovao tsy marina ihany ny tenany hatramin’izao. Niala teo amin’ny fitondrana izy ny 17 martsa 2009, nilamina ny fanomezam-pahefana, ary tsy noteren’ny miaramila izy fa noteren’ny vahoaka malagasy leo ny jadona sy ny halatra samihafa sy miharihary fanaony.
Sahy Sylvain