Maro an’isa ireo mpanohana ity fitondrana misy amin’izao fotoana izao ity eo anivon’ny Antenimierampirenena satria 108 izy ireo raha 151 no totalin’ny solombavambahoaka mandrafitra ity andrim-panjakana ity.
Izany hoe efa ho ny androatokony dia mpomba izao fitondrana izao. Mahagaga anefa fa ireo vitsivitsy efa hita matetika eny amin’ny haino aman-jery ihany no ireny hita sy re miteny. Tsy andrenesam-peo mihitsy ireo marobe milaza ho mpanohana kanefa nifandrobaka ny hamoaka ny heviny tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra.
Raha ny tsapa, ny fotoana nahalany azy ho depiote no ela fa dia nikombona niaraka tamin’izay koa ny vavany. Ny namana mpanao gazety sasany be vazivazy aza moa dia milaza, miaraka amin’ny hanihany mahazatra azy ireo, fa fahalalam-pomba no antony tsy hitenenan’ireo solombavambahoaka marobe ireo.
Tsy afaka ny hiteny izy ireo fa mbola mihinana, mbola feno ny vavany. Vazivazy ihany moa izay nefa mety misy fahamarinany ihany.
Misy solombavambahoaka sasany kosa milaza hoe tsy ilaina ny fisian’ny solombavambahoaka maro miteny fa efa vitan’ireo efa zatra miteny ireo ny anjarany. Misy fahamarina ihany koa izany. Kanefa amin’izao fotoana mahabetsaka ireo tsikera sy lainga ataon’ny mpanohitra, fotoana kosa angamba izao hamondronana sy hampisehoana ny herin’ireo mpanohana sy ireo milaza ho mpanohana ity fitondrana ity.
Tokony ho feno azy ireo araka izany ny sehatra rehetra, hitenenany sy hanazavany ireo zavabitan’ity fitondrana ity izay efa marobe nandritra izay 2 taona mahery nahateo amin’ny fitondrana ny Filoha Rajoelina izay.
Raha tsy izay dia tsy ankihambahambana no hitenena fa tena mpitanty ra-kena tsotra izao izy ireny. Mpitanty rà-kena satria rehefa tonga eo amin’ny toerana be voninahitra sy be tombon-tsoa izy ireny dia adinony fa tamin’ny fampiasana ny anaran’ny filoham-pirenena no nahatonga azy teo.
N.Randria