Fa rehefa ny fankahalana tokoa no mibahana ao an-tsaina dia na ny mibaribary sy tsy afenina akory aza dia tsy hita. Ary ny tena mahazendana dia ireo olona nantenaina fa manam-pahaizana sy mahay mandinika miihitsy no lasa pahina tanteraka.

Namana  iray izay, manana ny maha-izy azy tokoa eo amin’ity asa fanaovan-gazety ity kanefa dia mahasahy miteny fa midona amin’ny rindrina hono ireo nanao vakisiny Covshield kanefa tsy hahafahany hiditra any Lafrantsa akory ny fanaovana izany. Mbola mpanao gazety ihany fa saingy irony mpanao sary itatra irony indray dia mampiseho fa nanao vakisiny miafina ny filoham-pirenena, ka izay no nahafahany niditra malalaka any Lafrantsa.

O lehiretsy e ! tano ho anareo ny fankahalanareo fa aza ny vahoaka sy ny mpamaky no fitahina. Izy ireo izay nametraka fahatokisana taminareo satria ianareo noheveriny fa manana fahendrena sy traikefa amin’ny asanareo.

 

Noho ny fankahalana be loatra mantsy dia tsy hitanareo na hodianareo tsy hita fa lainga be izany hoe tsy mahazo miditra an’ Lafrantsa raha tsy vita vakisiny amin’ny iray amin’ireo efatra voalaza fa ankatovin’ny fanjakana Frantsay. Porofon’izany ny andalan-teny notsoahina avy ao amin’ny tranonkalan’ny minisitry ny ati-tany frantsay izay midika ho toa izao : « ny mpandeha ho any  Lafrantsa nefa tsy vita vaksiny dia tsy maintsy manao taratasy fanekena (engagement sur l’honneur) fa tsy misy fambara ny fisian’ny Covid 19. Tsy maintsy manao taratasy fanekena ihany koa manambara fa manaiky ny ho atao fitiliana « antigénique » sy atao fizaham-pahasalamana eo ampahatongavana. Ary ny taratasy fifanekena farany dia milaza ny fahavononany hihiboka mandritra ny 7 andro sy ny ny fanekena ho atao fitiliana PCR aorian’izay fihibohana izay . Marina fa amin’ny teny frantsay izy ity kanefa hinoana fa azon’izireo tsara ny tiany ho lazaina.

Tsy sanatria hanome lesona akory ny tena izay tokony ho mpianatr’izy ireo raha ny traikefa no jerena kanefa sarotra ny hangina.

Raha ny traikefan’izy ireo sy ny fahaizany ary ny fahatsiloan-tsaina ananany dia fantany tsara mihitsy fa samy manana ny anjarany ny olombelona  eto amin’ity tany. Noho izany tsy hoe satria misy zandry heverina fa tsy dia manana baoritra na diplaoma kanefa lasa alavitra sy ambony dia ankahalaina tahak’io. Dia lazaina fa ratsy daholo ny ataony satria iizy ireo na niezaka mafy aza tamin’ny fianarana st fanovozam-pahalalana dia mbola ireo eo ihany. Akory atao fa izay no lahatra e, misy ny natao ho mpitondra dia misy ny natao ho mpanao gazety, koa aoka samy hionona amin’ny anjarany fa tsy hitsiriritra ny an’ny hafa.

 

N. Randria