Fanaratsiana, fanambaniana, fanasoketana, famafazana lainga, fandranitana vahoaka hankahala ny mpitondra, ireo no voizin’ireo mpanao pôlitika isanandro anaty haino aman-jery. fantatr’izy ireo tsara fa fandikana ny lalàna izany nefa niniany natao.

Tafiditra ao anaty asan’ny mpanohitra ny mitondra fitsikerana amin’ny mpitantantana amperinasa ahafahana hitondra fanovana eo amin’ny fomba fiasa. Fanoherana izay tsy tokony hitarika any amin’ny famafazana lainga sy ny fanakorontanana ny saim-bahoaka ary ny fanitsakitsahana ny lalàna. Ny fifidianana ihany no ahafahana mandrefy ny asan’ny mpitondra arakaraky ny vato azony avy amin’ny vahoaka fa tsy ny fandotoana sy fanaratsiana voizina isanandro amin’ny haino aman-jery. Ny mampalahelo, mibahana ao anatin’ny sain’ireo mpamakafaka pôlitika ny fankahalàna olona. Adinony ny maha tomponandraikitra azy ireo eo amin’ny fitaizana ny olom-pirenena, hany ka ny famafazana lainga no mameno ny fanehoan-kevitra ataony isanandro. Tsy tsapan’ny RMDM fa nisy vahoaka nifidy ny filoha amperinasa ankehitriny. Nomeny fahefana hitarika azy sy hitondra fampandrosoana ho an’ity firenena ity. Tsy ny fivatravatrana anaty haino aman-jery akory no hanova ny safidim-bahoaka na ihany koa hamerenana ny fitondrana RAVALOMANANA. Ny vahoaka malagasy, afaka manavaka ny vary sy ny tsimparifary. Saika ireo very tombontsoa izay mamakivaky tany hefitra eo amin’ny sehatra pôlitika anie ireo mandany rora miezaka manakorontana ireo e ! Iza no tsy nahalala fa saika efa naloam-bahoaka ireo olon’ny RMDM ireo ? Tsipaky ny miala aina sisa araka ilay fomba fiteny no paik’ady entin’izy ireo hanakorontanana ny firenena. Sa izay ilay hoe raha maty aho matesa rahavako ? Raha sanatria ka izay marina no tanjon’ireo mpanakorontana, ho potehina ve ny firenena ? Hatao sorona indray ve ny fiainan’ny vahoaka malagasy ? Sa izay mihitsy ilay fitiavan-tanindrazana tian’izy ireo aseho amin’ny finiavana hanakorontana ankehitriny ?

 

Jean Claude ANDRIAMALALA